Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

SRI LANKA

Topy Maso An’i Sri Lanka

Topy Maso An’i Sri Lanka

Nisy Vavolombelon’i Jehovah tany Sri Lanka nanomboka tamin’ny 1910. Nanangana birao miandraikitra ny asa ataony mifandray amin’ny fivavahany izy ireo, tamin’ny 1952. Nosoratany ara-dalàna tamin’ny fanjakana koa ny fikambanana Watch Tower Bible and Tract Society of Lanka, tamin’ny 1981. Azo lazaina hoe afaka manaraka ny fivavahany an-kalalahana izy ireo.

Ny olana anefa dia ireo moanina bodista mahery fihetsika izay manenjika ny Vavolombelon’i Jehovah. Mampirisika andian-jiolahy izy ireo mba hanaovana izany. Tsy miaro ny Vavolombelona koa ireo manam-pahefana, matetika, ary tsy manasazy an’ireo mpanakorontana. Tamin’ny 2014 dia nilaza tamin’ny fitondram-panjakana ny Komitin’ny Firenena Mikambana Miaro ny Zon’olombelona fa tokony hanao izay hampitsaharana an’ilay fanafihana izy ireo, ary tokony henjehin’ny lalàna ireo voalazan’ny tatitra hoe mahery setra amin’ny fivavahana madinika toy ny Vavolombelon’i Jehovah.

Nampakatra ny raharaha tany amin’ny fitsarana avo sy ny manam-pahefana hafa any Sri Lanka koa ny Vavolombelona. Manantena ny Vavolombelon’i Jehovah any Sri Lanka hoe tsy hatahotra ny hotafihin’ny mpivavaka mahery fihetsika intsony izy ireo fa hankafy tanteraka ny fahalalahana ara-pivavahana.