Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

SINGAPOUR

Gadraina Noho ny Finoany

Gadraina Noho ny Finoany

Manery ny olona hanao miaramila ny fitondrana any Singapour, ary tsy manaiky hoe manan-jo tsy hanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany ny olona. Izany no mahatonga ny Vavolombelona any migadra indroa, ary mahatratra telo taona sy telo volana izany rehefa atambatra.

Rehefa feno 18 taona ny tanora Vavolombelona iray, dia takin’ny lalàna ny hidirany ao amin’ny tafika. Gadraina herintaona sy telo volana any amin’ny toby miaramila izy raha tsy manaiky. Hafahana izy aorian’izay, ary tonga dia terena hanao akanjona miaramila sy hiofana ho miaramila. Raha mbola mandà izy, dia gadraina roa taona indray.

Tsy manaiky izay lazain’ny ONU i Singapour

Efa ela ny ONU no nangataka an’ireo firenena mpikambana ao aminy mba ‘hanaiky hoe mampihatra ny zony ny olona iray raha tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Manan-jo haneho hevitra sy hanaraka ny feon’ny fieritreretany ary hanana ny fivavahany mantsy izy, araka ny Fanambarana Iraisam-pirenena Momba ny Zon’olombelona.’ Tsy manaiky an’izany i Singapour, na dia efa nanomboka tamin’ny 1965 aza izy no mpikambana tao amin’ny ONU. Nanoratra ho an’ny Vaomieran’ny Firenena Mikambana Miaro ny Zon’olombelona ny manam-pahefana iray any Singapour, tamin’ny 24 Aprily 2002. Hoy izy: “Raha manohintohina [ny fiarovam-pirenena] ny fivavahan’ny olona iray na ny zavatra ataony, dia manan-jo hitandro ny filaminam-pirenena ny fanjakana ary tsy misy mahazo manohitra an’izany.” Nilaza mazava koa izy hoe: “Tsy ekenay hoe mihatra amin’ny firenena rehetra ny zo tsy hanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretana.”

Zava-nitranga

  1. 12 Desambra 2014

    Vavolombelon’i Jehovah 19 no migadra satria tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany, anisan’izany ny anankiray izay tsy mety hatao miaramila fiandry.

  2. 16 Septambra 2014

    Lehilahy Vavolombelona 15 no migadra satria tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany, anisan’izany ny Vavolombelona iray tsy nety nanao miaramila fiandry.

  3. 30 Jolay 2014

    Vavolombelona 16 no migadra any amin’ny fonjan’ny miaramila any Singapour. Tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany mantsy izy ireo.

  4. Novambra 2013

    Vavolombelona 18 no migadra satria tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany.

  5. 24 Aprily 2002

    Nanamafy ny manam-pahefana any Singapour fa tsy eken’izy ireo ny zo tsy hanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretana.

  6. Febroary 1995

    Mihabetsaka ny Vavolombelon’i Jehovah ampijalina sy samborina any Singapour.

  7. 8 Aogositra 1994

    Nolavin’ny Fitsarana Avo any Singapour ny fangatahan’ny Vavolombelona hampakatra fitsarana.

  8. 12 Janoary 1972

    Nesorin’ny fanjakana any Singapour tao amin’ny lisitry ny fivavahana ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah.