Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

20 NOVAMBRA 2015
ROSIA

Hivoaka ny Didy Momba An’ireo Vavolombelon’i Jehovah 16 any Taganrog

Hivoaka ny Didy Momba An’ireo Vavolombelon’i Jehovah 16 any Taganrog

Nambaran’i Vasyutchenko, mpitsara ao amin’ny Tribonalin’i Taganrog, fa holazainy amin’ny 27 Novambra 2015, amin’ny 10.30 maraina, ora any Moscou, ny valin’ny famerenana ny fitsarana an’ireo Vavolombelon’i Jehovah 16. Nampangaina ho mahery fihetsika izy ireo, satria nandamina sy nanatrika fivoriana ara-pivavahana. Miresaka momba ny Baiboly anefa no ataon’izy ireo amin’izany ary tsy manakorontana an’iza na iza. Raha melohina izy ireo, dia hampandoavina lamandy be, ary mety higadra hatramin’ny enin-taona ny efatra aminy.

Ity ny adiresin’ilay tribonaly: 347939, g. Taganrog, ul. Chucheva, d. 42/2.