Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

21 JOLAY 2015
ROSIA

Tsy Avelan’ny Doanina Hampidirina any Rosia ny Baiboly

Tsy Avelan’ny Doanina Hampidirina any Rosia ny Baiboly

Nanao zavatra hanoherana ny Vavolombelon’i Jehovah ny tompon’andraikitra ao amin’ny doanina any Rosia, tamin’ny 14 Jolay 2015. Tsy navelan’izy ireo hampidirina any Rosia Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny rosianina, izay Baiboly navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mbola tsy nisy hoatr’izany hatramin’izay. Efa nanomboka tamin’ny Martsa 2015 no nosakanan’ny manam-pahefana tsy hiditra any ny entana rehetra misy bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah, na dia tsy anisan’ny boky voarara aza izy ireny. Mampanahy io toe-javatra io sy ilay nandrarana ny tranonkala ofisialin’ny Vavolombelon’i Jehovah, www.jw.org. Manembantsembana ny fahalalahana ara-pivavahana sy ny fahalalahana hiteny ary ny fahalalahana hamoaka boky sy gazety mantsy izany.