Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

19 APRILY 2017
ROSIA

Andro Fahadimy: Nandinika An’ireo Porofo ho An’ilay Raharaha Momba ny Fandrarana ny Vavolombelon’i Jehovah ny Fitsarana

Andro Fahadimy: Nandinika An’ireo Porofo ho An’ilay Raharaha Momba ny Fandrarana ny Vavolombelon’i Jehovah ny Fitsarana

Androany ny Fitsarana Tampon’ny Federasionan’i Rosia no nanomboka nandinika indray an’ireo antontan-taratasy 43 misy ny raharaha ara-pitsaran’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nomena alalana koa ny mpisolovavan’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah (Foibe) any Rosia mba hanome porofo hoe niditra an-keriny tany amin’ny toeram-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny mpitandro ny filaminana nandritra ny fotoam-pivavahana. Tamin’ny Martsa sy Aprily 2017 izany no nitranga. Sady nanakorontana izy ireo no nandrahona an’izay nanatrika tao hoe hampangaina ho mpanao heloka bevava.

Nihaino an’ireo porofo maha ara-dalàna ny fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Fitsarana rehefa nandinika an’ilay fangatahan’ny Minisiteran’ny Fitsarana (Minisitera) hoe tokony hofoanana ny fikambanana ara-dalàna (Fikambanana Ara-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah na LRO) miisa 395. Rehefa nandinika an’ireo didim-pitsarana nanafoana LRO miisa valo ny Fitsarana, dia nilaza ny mpisolovavan’ny Vavolombelona fa porofo namboamboarina no nahatonga an’ireny didim-pitsarana ireny, sady tsy nanara-dalàna ny fomba nanaovana ny fitsarana.

Ankoatr’izany, dia nanamafy ireo mpisolovavan’ny foibe hoe mivadibadi-dela ny Minisitera. Nanizingizina mantsy izy io, nandritra an’ireo fitsarana momba ny hanafoanana an’ireo LRO, hoe tsy misy ifandraisany amin’ny asa ataon’ny LRO ny foibe. Tsy navelany handray anjara tamin’ireny fitsarana ireny mihitsy koa ny foibe. Nilaza indray anefa ilay Minisitera, tamin’ity raharaha ity, hoe ny foibe no tompon’antoka amin’ireo zavatra lazaina fa tsy mety ataon’ny LRO sy amin’ireo zavatra mampidi-doza ao anaty boky sy gazetin’ny Vavolombelona.

Imbetsaka ilay Minisitera no nanao savahao ny toeram-pivavahan’ny Vavolombelona, ary be dia be mihitsy ny tatitra nalefany tany amin’ny Fitsarana momba an’ireny fisavana ireny. Rehefa nanontaniana anefa ry zareo, dia tsy afaka nilaza mihitsy na indray mandeha aza hoe efa nahita ny Vavolombelona nanao zavatra mampidi-doza.

Hahemotra amin’ny 20 Aprily 2017 amin’ny 2 ora tolakandro indray ny fitsarana.