Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

21 MARTSA 2017
ROSIA

Mitady Hevitra Handrarana ny Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Ministeran’ny Fitsarana any Rosia

Mitady Hevitra Handrarana ny Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Ministeran’ny Fitsarana any Rosia

Nametraka fitoriana tany amin’ny Fitsarana Tampony any Rosia ny Ministeran’ny Fitsarana (Ministera), satria tiany raha ‘hambara hoe mampidi-doza ny fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ka tokony ho voarara, ary tokony hofoanana.’ Navoakan’ny Fitsarana Tampony tao amin’ny tranonkalany ofisialy, tamin’ny 15 Martsa 2017, fa voarainy ilay fitorian’ny Ministera. Naharay filazana ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah tatỳ aoriana hoe hatao ny 5 Aprily 2017 amin’ny 10 ora maraina ny fitsarana an’io raharaha momba ny hanafoanana ny fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah io.

Raha eken’ny Fitsarana Tampony ny fiampangan’ilay Ministera, dia ireto avy no hanjo ny Vavolombelon’i Jehovah eran’i Rosia: Halaina aminy daholo ireo trano fivavahany, ho foana ny fikambanana ara-dalàna efa ho 400, ary ho azo samborina sy torina any amin’ny fitsarana koa na iza na iza amin’ireo Vavolombelona 170 000 mahery. Ho lasa heloka bevava mantsy ny hoe mivory mba hivavaka, miara-mamaky Baiboly, na miresaka amin’ny olon-kafa momba ny zavatra inoana.

Hoy i Vasiliy Kalin, solontenan’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia: “Tian’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Rosia raha afaka manompo an’Andriamanitra izy, ary tsy sakantsakana rehefa manao an’izany. Efa 100 taona mahery izao ny manam-pahefana eto Rosia no manitsakitsaka an’izay zonay tokony harovan’ny lalàna izay. Mbola kely aho no nataon’i Staline sesitany tany Siberia izahay mianakavy satria Vavolombelon’i Jehovah. Malahelo aho raha mbola atao hoatr’izany koa ny zanako sy ny zafikeliko. Tena tsy rariny tokoa izany. Tsy nampoiziko mihitsy hoe mbola henjehina indray ny fivavahanay eto Rosia, amin’izao andro maoderina izao.”