Ny 12 Novambra 2014 ny Fitsarana Tampony any Rosia no hihaino indray an’ilay raharaha mahakasika ny fanafoanana ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, any Samara. Tamin’ny 8 Oktobra io raharaha io no niakatra fitsarana voalohany. Nanatrika tao ny mpanao gazety, solontenan’ny ambasady avy amin’ny firenena samihafa, mpahay lalàna, ary ny Vavolombelon’i Jehovah maro. Naaton’ny mpitsara ny fitsarana an’ilay raharaha raha vao nanomboka kelikely.

Hoy i Vasily Kalin, solontenan’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia: “Manantena izahay fa hanao ny rariny sy hanaja ny fahalalahana voafaritry ny Lalàm-panorenana ny Fitsarana Tampon’i Rosia, ka hanafoana ny fiampangana nataon’ny mpampanoa lalàna.” Mbola manantena ny Vavolombelon’i Jehovah fa hanaraka ny voalazan’ny Lalàm-panorenana ny Fitsarana Tampony rosianina, ka hiaro ny fahalalahana ara-pivavahana.