Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

6 APRILY 2017
ROSIA

Hitohy Amin’ny 7 Aprily ny Fitsarana An’ilay Raharaha Momba ny Fandrarana ny Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia

Hitohy Amin’ny 7 Aprily ny Fitsarana An’ilay Raharaha Momba ny Fandrarana ny Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia

Ny solontenan’ny Minisiteran’ny Fitsarana no nanombo-dresaka androany tamin’ilay raharaha nohenoin’ny Fitsarana Tampon’ny Federasionan’i Rosia. Nilaza ilay solontena fa tokony horarana daholo ny fikambanana ara-dalàna ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah, satria efa nilaza ny fitsarana ambaratonga voalohany fa manao zavatra mampidi-doza ny sasany amin’izy ireo. Nanontany ny mpitsara hoe rariny ve raha ny zavatra nataon’ireo fikambanana 8 voampanga, no anakatonana ny Foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny fikambanana 395 eran’i Rosia. Nanontany koa ilay mpitsara hoe mbola ho afaka hanaraka ny fivavahany ve ny Vavolombelona raha foanana daholo ny fikambanany. Imbetsaka izy no nanontany hoe nahoana ny Vavolombelona no lazaina fa atahorana hanakorontana ny filaminam-bahoaka. Nametraka fanontaniana tamin’ilay solontenan’ny minisitera koa ny mpisolovavan’ireo Vavolombelona, ka niharihary hoe ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah mihitsy no tena tian’ilay minisitera horarana, fa tsy hoe te hanafoana ny fikambanan’izy ireo fotsiny izy.

Hahemotra amin’ny 7 Aprily 2017 amin’ny 10 ora maraina indray ilay fitsarana.