Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

KOREA ATSIMO

Gadraina Noho ny Finoany

Gadraina Noho ny Finoany

Efa 100 taona mahery no nisy Vavolombelon’i Jehovah tany Korea Atsimo ary afaka manaraka tsara ny fivavahany izy ireo, afa-tsy ireo tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Efa nanomboka tamin’ny Adin’i Korea ka hatramin’izao i Korea Atsimo no manameloka an’izay tovolahy tsy mety manao miaramila. Ny fitondrana anefa tsy mba manisy zavatra hafa hatao solon’ny raharaha miaramila. Vavolombelona 18 000 mahery àry no nigadra satria tsy nety nanao miaramila, ary nahatratra 34 800 mahery ny taona nigadran’izy ireo raha atambatra.

Nihatsara ny fiainan’ny voafonja

Nijaly taloha ireo Vavolombelona voafonja sady nigadra ela be. Niova anefa izany, ary nahena ho herintaona sy tapany ny sazin’izy ireo. Avelan’ny tompon’andraikitry ny fonja hiara-mivory ny ankamaroan’ireo Vavolombelona migadra. Ampiarahina amin’ny Vavolombelona namany koa ny 70 isan-jato mahery amin’izy ireo, fa tsy atambatra amin’ny voafonja hafa.

Ny hevitry ny Firenena Mikambana momba ny zo tsy hanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretana

Imbetsaka ny Komitin’ny Firenena Mikambana Miaro ny Zon’olombelona (CCPR) no namoaka didy hoe tsy manaja ny zon’ireo tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany i Korea Atsimo, * rehefa nanameloka sy nanagadra azy ireo. Ny CCPR no mpanara-maso hoe nampiharina ve ny Fifanarahana Iraisam-pirenena Momba ny Zo Sivily sy Politika (ICCPR). Namoaka didy, ohatra, izy io tamin’ny 25 Oktobra 2012 fa tsy nanaja ny zon’ireo Vavolombelona 388 izay tsy nety nanao miaramila i Korea Atsimo, araka ny Andininy Faha-18 ao amin’io fifanarahana io. Nilaza ny CCPR fa ‘efa tafiditra amin’ny zo haneho hevitra sy hanaraka ny feon’ny fieritreretana ary hanana fivavahana ny zo handa tsy hanao miaramila. Tsy azo terena hanao miaramila ny olona raha tsy mifanaraka amin’ny fivavahany sy ny zavatra inoany izany.’ Tsy manaiky ny didy navoakan’ny CCPR anefa ny fitondrana koreanina, fa managadra an’ireo tovolahy Vavolombelona an-jatony ary manitsakitsaka ny zon’izy ireo.

Zava-nitranga

  1. 31 Oktobra 2014

    Vavolombelon’i Jehovah 597 no migadra satria tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany.

  2. 31 Aogositra 2014

    Lehilahy Vavolombelona 562 no migadra satria tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany.

  3. 30 Jona 2014

    Raharaha 28 momba an’ireo tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany no mbola miandry any amin’ny Fitsarana Momba ny Lalàm-panorenana. Lehilahy 618 no nigadra.

  4. 28 Janoary 2014

    Nahazo famotsoran-keloka ny Vavolombelona 100 teo ho eo, izay nogadraina satria tsy nety nanao miaramila. Nafahana izy ireo, ka nihena iray na roa volana ny saziny. Nisy 513 no nigadra tamin’ny 31 Janoary.

  5. Novambra 2013

    Vavolombelona 599 no nogadraina satria tsy nety nanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany.

  6. Aprily 2013

    Nampiarahina tamin’ny Vavolombelona namany ny 70 isan-jato mahery tamin’ireo Vavolombelona voafonja, fa tsy natambatra tamin’ny voafonja hafa.

  7. 25 Oktobra 2012

    Namoaka didy ny Komitin’ny Firenena Mikambana Miaro ny Zon’olombelona (CCPR) fa tsy nanaraka ny Andininy Faha-18 (zo haneho hevitra sy hanaraka ny feon’ny fieritreretana ary hanana fivavahana) ao amin’ny ICCPR i Korea Atsimo, satria tsy nanaja ny zon’ireo Vavolombelona 388 izay tsy nety nanao miaramila.

  8. 30 Aogositra 2011

    Nilaza ny Fitsarana Momba ny Lalàm-panorenana fa tsy mandika ny lalàm-panorenana any Korea ilay lalàna hoe voasazy izay tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany.

  9. 24 Martsa 2011

    Namoaka didy ny CCPR fa tsy nanaraka ny Andininy Faha-18 ao amin’ny ICCPR i Korea Atsimo, satria tsy nanaja ny zon’ireo Vavolombelona 100 tsy nety nanao miaramila.

  10. 15 Janoary 2009

    Niaiky ny vaomiera iray misahana ny fanadihadiana momba ny fahafatesana mampiahiahy fa tompon’andraikitra tamin’ny fahafatesan’ny Vavolombelona dimy ny fitondrana any Korea Atsimo. Nogadraina izy ireo satria tsy nety nanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany, ary maty teo anelanelan’ny taona 1975 sy 1985.

  11. Desambra 2008

    Nofoanan’i Korea Atsimo ny fanompoana sivily saika hataony solon’ny raharaha miaramila.

  12. 18 Septambra 2007

    Nanao fanambarana ny Minisiteran’ny Fiarovana any Korea Atsimo fa hisy fanompoana sivily ho an’izay tsy te hanao miaramila noho ny fivavahany sy ny feon’ny fieritreretany. Nampanantena koa izy io fa hohavaozina ny lalàna momba ny raharaha miaramila sy ny lalàna momba ny rezervista.

  13. 3 Novambra 2006

    Namoaka didy ny CCPR fa tsy nanaraka ny Andininy Faha-18 ao amin’ny ICCPR i Korea Atsimo, satria tsy nanaja ny zon’ireo Vavolombelona roa tsy nety nanao miaramila.

  14. 26 Aogositra 2004

    Nilaza ny Fitsarana Momba ny Lalàm-panorenana fa mifanaraka tsara amin’ny lalàm-panorenana ilay lalàna manasazy an’izay tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany.

  15. 2001

    Tsy nanery ny lehilahy hisoratra anarana hanao miaramila intsony ny birao miandraikitra an’izany, ary lasa herintaona sy tapany fa tsy telo taona intsony ny sazy omena an’izay tsy mety manao miaramila.

  16. 1 Desambra 1985

    Maty i Kim Young-geun satria nampijalijalin’ny miaramila tamin-kabibiana, tamin’izy tany am-ponja. Tsy nety nanao miaramila mantsy izy noho ny feon’ny fieritreretany.

  17. 17 Aogositra 1981

    Maty i Kim Sun-tae satria nampijalijalin’ny miaramila tamin-kabibiana, tamin’izy tany am-ponja. Tsy nety nanao miaramila mantsy izy noho ny feon’ny fieritreretany.

  18. 28 Martsa 1976

    Maty i Jeong Sang-bok satria novonovonoin’ny miaramila sy nampijalijaliny, tamin’izy tany am-ponja. Tsy nety nanao miaramila mantsy izy noho ny feon’ny fieritreretany.

  19. 19 Martsa 1976

    Maty i Lee Choon-gil satria rovitra ny sarakatiny rehefa avy novonovonoin’ny miaramila izy, tamin’izy tany am-ponja. Tsy nety nanao miaramila mantsy izy noho ny feon’ny fieritreretany.

  20. 14 Novambra 1975

    Maty i Kim Jong-sik satria novonovonoin’ny miaramila sy nampijalijaliny, tamin’izy tany am-ponja. Tsy nety nanao miaramila mantsy izy noho ny feon’ny fieritreretany.

  21. 1975

    Namoaka lalàna ny Prezidà Park Jeong-Hee hoe tsy maintsy manao miaramila daholo ny lehilahy. Nentina an-keriny tany amin’ny birao fisoratana anarana hanao miaramila àry ny lehilahy Vavolombelona.

  22. 30 Janoary 1973

    Nampiharina tamin’izay tsy mety manao miaramila ny lalàna manokana momba ny fanasaziana mpanao heloka bevava. Lasa migadra telo taona ka hatramin’ny folo taona àry izay tsy mety manao miaramila. Imbetsaka voantso hanao miaramila ny olona sasany.

  23. 1953

    Nanomboka nanagadra an’izay tsy nety nanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany i Korea Atsimo.

^ feh. 6 Anisan’ireo firenena nandray anjara tamin’ilay Fifanarahana Iraisam-pirenena Momba ny Zo Sivily sy Politika (ICCPR) i Korea Atsimo. Misy lalàna tsy voatery harahina ao amin’ny ICCPR. Manome alalana ny olona any Korea Atsimo ny voalohany amin’izy io mba handefa fitarainana any amin’ny CCPR raha tsy manaja an’ilay fifanarahana ao anatin’ny ICCPR ny firenena misy azy. Anisan’ny nanaiky an’izany lalàna izany i Korea Atsimo.