Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

18 MEY 2015
KOREA ATSIMO

Nanafaka Madiodio An’ireo Tsy Nanao Miaramila ny Mpitsara Tany Korea Atsimo

Nanafaka Madiodio An’ireo Tsy Nanao Miaramila ny Mpitsara Tany Korea Atsimo

Namoaka didy ny Fitsarana Ambony any Gwangju, any Korea Atsimo, tamin’ny 12 Mey 2015 fa tsy meloka ireo Vavolombelon’i Jehovah telo, izay nampangaina hoe nandositra rehefa nantsoina hanao miaramila. Hoy ny Mpitsara Choi, Chang-seok rehefa namoaka an’ilay didy: “Manan-jo hanaraka ny feon’ny fieritreretany ny olona, araka ny Lalàm-panorenana, nefa koa manana adidy hiaro ny fireneny. Tokony hatao izay hifanarahan’ireo lalàna ireo.” Hoy koa izy: “Mety tsy hifanaraka amin’ny zon’ny olona ny zavatra sasany takin’ny Lalàm-panorenana, ohatra hoe ny adidin’ny olom-pirenena. Rehefa mitranga izany dia aleo mitady marimaritra iraisana mba samy hahazo ny tombontsoany ny andaniny sy ny ankilany.” Mety tsy hahafaly ny mpampanoa lalàna izany didy izany, ka mieritreritra ny Vavolombelon’i Jehovah hoe mety hangataka ny hamerenana an’ilay fitsarana izy, ao anatin’ny fito andro.