Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

18 MEY 2015
KOREA ATSIMO

Afaka Madiodio Ireo Tsy Nety Nanao Miaramila Tany Korea Atsimo

Afaka Madiodio Ireo Tsy Nety Nanao Miaramila Tany Korea Atsimo

Nandray fanapahana ny Fitsaram-paritr’i Gwangju tamin’ny 12 Mey 2015 hoe tsy meloka ho nandositra fiantsoana hanao raharaha miaramila ny Vavolombelon’i Jehovah telo. Hoy i Chang-seok, mpitsara, rehefa nanonona an’ilay fanapahana: “Tena tokony hampifanarahina tsara ny fahalalahana hanana feon’ny fieritreretana, miorina amin’ny Lalàm-panorenana, sy ny adidy amin’ny fiarovana ny firenena.” Hoy ihany izy: “Rehefa tsy mifanaraka amin’ny zo fototra ananan’ny olona iray ny lalàm-panorenana, ohatra hoe ny adidin’ny olom-pirenena, dia tokony hatao izay hanomezana fahafaham-po ny andaniny sy ny ankilany rehefa ampiharina ny lalàna.” Manantena ny Vavolombelon’i Jehovah hoe hangataka fampakarana an’ilay raharaha ato anatin’ny fito andro ny mpampanoa lalàna.