Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

HAUT-KARABAKH

Gadraina Noho ny Finoany

Gadraina Noho ny Finoany

Gadraina ny Vavolombelon’i Jehovah any Haut-Karabakh, rehefa ampy taona hanao miaramila. Tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany mantsy izy ireo. Tsy manaiky an’izany ny fanjakana sady tsy manisy fanompoana sivily ho solon’ny raharaha miaramila. Ampidirina am-ponja àry ny tanora Vavolombelona, satria tsy mety mandray fitaovam-piadiana hamonoana ny mpiara-belona aminy.

Tsy nekena ny fangatahana hanao fanompoana sivily

Nampanantsoin’ny birao mikarakara ny raharaha miaramila ao Askeran i Artur Avanesyan, tamin’ny 29 Janoary 2014. Ny ampitson’iny, dia nalefan’Atoa Avanesyan tany amin’ny birao mikarakara ny raharaha miaramila any Haut-Karabakh ny fangatahany hanao fanompoana sivily. Tonga dia niresaka tamin’ny manam-pahefana any Haut-Karabakh sy Armenia ny mpisolovavany. Efa nanomboka nahita marimaritra iraisana izy ireo, mba hahafahan’Atoa Avanesyan hanao fanompoana sivily any Armenia.

Nanantena Atoa Avanesyan fa hilamina ilay olana, ka nifindra tany Armenia izy ary nangataka hanao fanompoana sivily ho solon’ny raharaha miaramila. Nalefany tany amin’ny birao mikarakara ny raharaha miaramila any Masis ny fangatahany, tamin’ny 13 Febroary 2014. Niandry izy hoe hiantso azy ny birao misahana ny fanompoana sivily ho solon’ny raharaha miaramila any Armenia. Voantso hankany amin’ny paositry ny polisy tany Erevan anefa izy, ny 14 Jolay 2014. Efa niandry azy tao ny polisy avy any Haut-Karabakh. Nosamborin’izy ireo izy ary nentiny tany Haut-Karabakh. Nampidirina am-ponja vonjimaika izy ny ampitso, ary avy eo nasaina niseho tany amin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany.

Tany amin’ny tribonaly izy no nahafantatra fa efa efa-bolana talohan’izay ny fitsarana no namoaka didy hoe tokony hosamborina sy hogadraina izy mandra-pahatongan’ny fotoana hitsarana azy. Nohamafisin’ny fitsarana ilay didy efa navoakany, ary nalefa tany am-ponja avy hatrany Atoa Avanesyan. Nangataka hampakatra fitsarana izy, nefa nolavina foana izany.

Voaheloka higadra roa taona sy tapany Atoa Avanesyan, tamin’ny 30 Septambra 2014. Nampakatra fitsarana àry izy. Manantena izy sy ny fianakaviany ary ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany fa hiova hevitra ny manam-pahefana any Haut-Karabakh. Manantena koa Atoa Avanesyan hoe hamela azy hanao fanompoana sivily ho solon’ny raharaha miaramila izy ireo, fa tsy hanagadra azy noho izy manaraka ny feon’ny fieritreretany voataizan’ny Baiboly.

Zava-nitranga

  1. 25 Desambra 2014

    Nohamafisin’ny Fitsarana Tampony any Haut-Karabakh fa voaheloka i Artur Avanesyan.

  2. 30 Septambra 2014

    Nanameloka an’i Artur Avanesyan ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany any Martakert, any Haut-Karabakh. Voasazy higadra roa taona sy tapany izy.

  3. 14 Jolay 2014

    Voasambotra tany Armenia i Artur Avanesyan, ary nentina tany Haut-Karabakh mba hogadraina mandra-pahatongan’ny fitsarana azy.

  4. 30 Desambra 2011

    Voaheloka higadra roa taona sy tapany i Karen Harutyunyan, Vavolombelona 18 taona, satria tsy nety nanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany.

  5. 16 Febroary 2005

    Nogadraina i Areg Avanesyan, izay Vavolombelon’i Jehovah, satria tsy nety nanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Efa-taona ny saziny.

  6. 12 sy 13 Jona 2001

    Nogadraina enim-bolana ka hatramin’ny herintaona ny Vavolombelona telo, satria tsy nety nandray anjara tamin’ny fanazaran-tena ataon’ny miaramila.