Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

VAOVAO ARA-PITSARANA SY ZON’OLOMBELONA

Géorgie

22 JONA 2015

Niaiky Tany Amin’ny Fitsarana Eoropeanina i Géorgie fa Nanitsakitsaka ny Zon’ny Vavolombelon’i Jehovah

Nenjehina sy niharan’ny herisetra nandritra ny taona maro ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa nesorin’ny fanjakana tsy ho fikambanana ara-dalàna ny fikambanan’izy ireo. Niaiky i Géorgie hoe ‘tsy marim-pototra’ izany fanesorana izany.

15 APRILY 2015

Nampahafantatra ny Didy Navoakan’ny Fitsarana Eoropeanina ny Vavolombelon’i Jehovah any Géorgie

Natao ilay ezaka manokana tamin’ny Aprily 2015 mba hahafantaran’ny manam-pahefana an’ilay didim-pitsarana navoakan’ny Fitsarana Eoropeanina sy ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

14 OKTOBRA 2014

Asain’ny Fitsarana Eoropeanina Mampihatra ny Lalàna i Géorgie

Nanome rariny ny Vavolombelon’i Jehovah any Géorgie ny Fitsarana Eoropeanina, tamin’ny 7 Oktobra 2014. Nomelohiny kosa ny manam-pahefana any satria tsy nanaja ny zon’olombelona sy ny fahalalahana ara-pivavahana.