Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

27 APRILY 2015
ETAZONIA

Nodimandry teo Amin’ny Faha-92 Taonany i Dorothy Covington

Nodimandry teo Amin’ny Faha-92 Taonany i Dorothy Covington

Niady mafy ho an’ny zon’ny Vavolombelon’i Jehovah i Dorothy Covington teo anelanelan’ny 1940 sy 1960. Nodimandry tany Cincinnati, any Ohio, izy tamin’ny 14 Martsa 2015.

Niady ho an’ny zon’olombelona

Nanolo-tena hiara-hiasa amin’ilay mpisolovava atao hoe Victor Schmidt i Dorothy tamin’ireo taona 1940. Vavolombelon’i Jehovah izy io ary niezaka niaro ny zon’ny Vavolombelona namany. Nohindrahindraina be mantsy ny fitiavan-tanindrazana tany Etazonia, nandritra ny Ady Lehibe II. Tsy nandray anjara tamin’izany anefa ny Vavolombelon’i Jehovah sady tsy nety nanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany, ka nenjehina mafy. Nilaza ny boky The Lustre of Our Country fa “nampijalina be ny Vavolombelon’i Jehovah tany Etazonia, tamin’ny 1941 ka hatramin’ny 1943. Io no zavatra mahatsiravina indrindra nataon’ny Amerikanina tamin’ny fivavahana, tamin’ny taonjato faha-20.”

Notafihin’ny olona sy nosamborina ny Vavolombelona nanerana an’i Etazonia, anisan’izany ny tany Cincinnati, any Ohio, sy ny tany Indiana, izay tsy lavitra eo. Nivezivezy tany amin’ireo faritra ireo i Victor Schmidt mba hiaro ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa voasambotra tsy ara-drariny izy ireo. Tsy hoe nanohana ny asan’i Victor Schmidt tany amin’ny birao fotsiny i Dorothy tamin’izany, fa sahy niatrika ny fandrahonan’ny vahoaka romotra koa rehefa nandeha nitory.

Ireo zava-nitranga nitarika an’ilay rotaka tany Connersville, any Indiana, no tena mafy tamin’i Dorothy. Namoaka didy nanameloka ny Vavolombelon’i Jehovah ny Fitsarana Tampony, tamin’ny 1940, tamin’ilay raharaha Sekolin’i Minersville miady amin’i Gobitis. Resaka fananganan-tsaina izy io. Nosamborin’ny polisy tao Connersville ny Vavolombelona enina, 17 andro taorian’izay. Nampangaina ho nanazimbazimba ny sainam-pirenena izy ireo satria tsy nety niarahaba ny saina amerikanina. Tonga tao Connersville i Victor Schmidt sy Hayden Covington mba hiaro ny roa tamin’ireo Vavolombelona, izay mbola voampanga ho nanao zavatra tsy ara-dalàna koa tatỳ aoriana. I Hayden Covington no mpanolo-tsain’ny Vavolombelon’i Jehovah teo amin’ny resaka lalàna tamin’ny 1939 ka hatramin’ny 1963.

Victor Schmidt

Tonga dia lasa Atoa Covington raha vao voalazany ny porofo farany niarovany an’ireo voampanga. Nandray fiaramanidina nankany Maine izy, satria nisy raharaha ara-pitsarana hovonjeny any. I Victor Schmidt sy ny vadiny kosa niandry ny hivoahan’ny didim-pitsarana. Nirotahan’ny olona anefa ry zareo avy eo. Voadaroka imbetsaka i Victor sy ny vadiny ary ny olon-kafa, saingy tafatsoaka ihany tamin’ny farany.

Nisy fanadinadinana natao tamin’i Dorothy, roatokombolana talohan’ny nahafatesany. Nilaza izy fa Vavolombelona 75 no nogadraina tany Connersville, folo volana taorian’ilay didim-pitsarana, ary samy voampanga ho nanao zavatra tsy ara-dalàna izy ireo. Hoy i Dorothy: “Be dia be ny Vavolombelon’i Jehovah nosamborina, ary tamin’izany no tena mafy ny fanenjehana anay.”

Niady ho an’ny zon’ny Vavolombelon’i Jehovah foana i Hayden Covington sy Victor Schmidt ary ny olon-kafa. Nandresy i Covington sy Schmidt tamin’ilay raharaha tany Connersville, ka tsy meloka intsony ireo Vavolombelona voampanga tany. Nanampy an’i Schmidt koa i Covington tamin’ny raharaha hafa tao amin’io faritra io. Niara-niasa tamin-dry zareo foana i Dorothy ka lasa mpinamana izy sy Hayden. Nivady izy ireo tamin’ny 1949.

Tao amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah

Dorothy sy Hayden Covington

Niasa tao amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Brooklyn, any New York, i Hayden, ka nifindra tany koa i Dorothy. Maro ny raharaha ara-pitsarana nokarakarain’i Hayden. Nanohana azy foana i Dorothy sady nazoto nitory. Nalaza ho anisan’ny mpisolovava nahay lalàm-panorenana indrindra tamin’izany fotoana izany i Hayden. Tsy nitandro hasasarana mihitsy izy niaro ny zon’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny raharaha an-jatony. In-40 mahery izy no nitondra raharaha tany amin’ny Fitsarana Tampony, ary in-100 mahery tany amin’ny fitsarana federaly.

Niaraka tamin’i Hayden tany amin’ny Fitsarana Tampony i Dorothy rehefa nisy Vavolombelon’i Jehovah nila narovana nanerana an’i Etazonia. Hoy izy: “Heverintsika hoe mandeha ho azy indraindray ny fahafahana sasany ananantsika. Ireny anefa no tena narovan’i Hayden. Tiako be ilay hoe natokany hanampiana ny hafa ny fiainany manontolo, na teto Etazonia izany na tany an-toeran-kafa.”

Fianakaviana sy fanompoana

Niteraka vavikely atao hoe Lynn i Dorothy sy Hayden tamin’ny 1959. Telo taona taorian’izay no teraka i Lane, zanak’izy ireo lahy. Niala tao New York izy mianakavy tamin’ny 1972, ary niverina tany Ohio. Nazoto nampianatra Baiboly an’ireo zanany i Dorothy rehefa nihalehibe izy ireo. Tsy nataony ambanin-javatra koa anefa ny fanompoana teny amin’ny saha.

Nodimandry i Hayden ny 21 Novambra 1978. Niverina nanao ny asany taloha i Dorothy, izany hoe mpandahatra soratra mivohitra hanaovana pirinty. Niasa tamin’ny famokarana gazety isan-karazany izy, anisan’izany ilay gazety hoe The Cincinnati Enquirer. Nampiasa an’ilay karazana milina antsoina hoe Linotype izy rehefa niasa. “Asan-dehilahy” ilay izy satria nitaky herim-batana. Nila natao tao anatin’ilay milina mantsy aloha ny firamainty hanaovana an’ireo soratra mivohitra. Nanokana fotoana betsaka hampianarana Baiboly indray izy rehefa nisotro ronono, tamin’ny 1988. Nalaza ho be zotom-po sy tena nahay Baiboly izy. Tonga dia nahita andinin-teny mety tsara hamaliana ny fanontanian’ny olona koa izy.

Efa maty talohan’i Dorothy i Lane, zanany lahy. Mbola velona kosa i Lynn Elfers, zanany vavy, sy Gary Elfers, vinantolahiny, ary ny zafikeliny roa. Mbola velona koa i Ruth Naids, zandriny vavy.