Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

ÉRYTHRÉE

Gadraina Noho ny Finoany

Gadraina Noho ny Finoany

Samborina sy gadraina ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny olona ao amin’ny fivavahana madinika sasany, any Érythrée. Tsy mandalo fitsarana akory anefa izy ireo sady tsy misy zavatra iampangana azy. Misy lehilahy sy vehivavy ireo Vavolombelona voafonja, ary misy ankizy sy antitra koa. Gadraina izy ireo noho ny asa ara-pivavahana nataony na noho ny antony tsy fantatra. Ampidirina am-ponja koa ny tovolahy tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany.

Tsy nanana fahalalahana intsony ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa nahazo fahaleovan-tena i Érythrée, tamin’ny 1993. Tamin’ny 25 Oktobra 1994, dia namoaka lalàna ny Filoha Afewerki hoe esorina amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny zom-pirenen’izy ireo. Tsy nifidy mantsy izy ireo rehefa nisy fitsapan-kevi-bahoaka natao tamin’ny 1993 mba hitakiana ny fahaleovan-tena. Tsy nety nanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany koa izy ireo. Nanomboka teo, dia nanagadra sy nampijaly ary nanenjika ny Vavolombelon’i Jehovah ny mpitandro filaminana any Érythrée, mba hanerena azy ireo hiala amin’ny finoany.

Migadra mandritra ny fotoana tsy voafaritra sady mijaly be

Nogadraina nanomboka tamin’ny 24 Septambra 1994 i Paulos Eyassu sy Isaac Mogos ary Negede Teklemariam, satria tsy nety nanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Atao ao anaty kaontenera vy ny Vavolombelona voafonja sasany. Ny hafa kosa ao anaty trano vato na fanitso, ary any ambanin’ny tany ny antsasak’ilay trano. Maty tamin’ny Jolay 2011 ny voafonja iray 62 taona atao hoe Misghina Gebretinsae. Nafana loatra mantsy tao amin’ilay toerana fanasaziana “ambanin’ny tany” nisy azy, tany amin’ny fonjan’i Mitire. Mitovy amin’izany koa ny nitranga tamin’i Yohannes Haile, 68 taona. Maty izy tamin’ny 16 Aogositra 2012, rehefa avy nigadra efa-taona teo ho eo tao amin’io toerana io. Nisy Vavolombelona vitsivitsy nafahana avy tao amin’ny fonjan’i Mitire satria narary be.

Fisamborana nitranga tato ho ato

Nankalaza ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy Kristy ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany tamin’ny 14 Aprily 2014. Vavolombelona 90 mahery no nosamborin’ny manam-pahefana tany Érythrée tamin’io. Nisy lehilahy sy vehivavy tamin’izy ireo, ka zaza herintaona sy efa-bolana ny kely indrindra ary 85 taona mahery ny zokiny indrindra. Vavolombelona 31 koa no nosamborin’ny manam-pahefana tany Érythrée tamin’ny 27 Aprily 2014, nandritra ny fianarana Baiboly nataon’izy ireo. Mbola tsy fantatra hatramin’izao ny antony nanagadrana azy ireo sy ny isan’ireo mbola voatana any am-ponja ary ny zavatra iainan’izy ireo any.

Zava-nitranga

  1. 12 Desambra 2014

    Vavolombelona 64 no migadra nefa mbola tsy notsaraina na voampanga

  2. 25 Jolay 2014

    Maro tamin’ireo nosamborina tamin’ny 14 Aprily no nafahana. Mbola any am-ponja anefa ny 20 tamin’ireo voasambotra tamin’ny 27 Aprily, ka Vavolombelona 73, raha atambatra, no migadra.

  3. 27 Aprily 2014

    Vavolombelona 31 no voasambotra nandritra ny fianarana Baiboly nataon’izy ireo.

  4. 14 Aprily 2014

    Vavolombelona 90 mahery no voasambotra nandritra ny fankalazana ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy.

  5. Novambra 2013

    Vavolombelona 52 no tany am-ponja, ary mijaly be izy ireo.

  6. 16 Aogositra 2012

    Maty i Yohannes Haile, 68 taona, satria mafy be ny zavatra niainany tany am-ponja.

  7. Jolay 2011

    Maty i Misghina Gebretinsae, 62 taona, satria mafy be ny zavatra niainany tany am-ponja.

  8. 28 Jona 2009

    Nanao bemidina tany an-tranon’ny Vavolombelona iray ny manam-pahefana nandritra ny fotoam-pivavahana natao tao. Nosamborin’izy ireo daholo ireo Vavolombelona 23 tao, izay teo anelanelan’ny 2 ka hatramin’ny 80 taona. Tafakatra 69 ny isan’ny Vavolombelona tany am-ponja.

  9. 28 Aprily 2009

    Nafindran’ny manam-pahefana any amin’ny fonjan’i Mitire ireo Vavolombelon’i Jehovah rehetra notazonina tao amin’ny paositry ny polisy. Iray ihany no tsy nafindra.

  10. 8 Jolay 2008

    Nanomboka nanao bemidina tany an-tranon’olona sy tany amin’ny toeram-piasana ny manam-pahefana, ary nisambotra Vavolombelona 24. Mamelona fianakaviana ny ankamaroan’ireo voasambotra.

  11. Mey 2002

    Nakaton’ny fanjakana ny antokom-pivavahana rehetra tsy anisan’ireo fivavahana efatra ekeny ho ara-dalàna.

  12. 25 Oktobra 1994

    Namoaka lalàna ny filoham-pirenena hoe esorina amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny zom-pirenen’izy ireo sy ny zo fototra hafa ananany.

  13. 24 Septambra 1994

    Nogadraina i Paulos Eyassu sy Isaac Mogos ary Negede Teklemariam nefa tsy notsaraina sady tsy nisy zavatra niampangana azy. Mbola any am-ponja izy ireo hatramin’izao.

  14. Ireo taona 1940

    Nisy antokona Vavolombelon’i Jehovah tany Érythrée.