Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

28 JANOARY 2016
AZERBAÏDJAN

Nafahana Ihany i Irina Zakharchenko sy Valida Jabrayilova Rehefa avy Nogadraina Tsy Ara-drariny

Nafahana Ihany i Irina Zakharchenko sy Valida Jabrayilova Rehefa avy Nogadraina Tsy Ara-drariny

Nafahana tamin’ny 28 Janoary 2016 i Irina Zakharchenko sy Valida Jabrayilova, rehefa avy nigadra 11 volana. Nomelohin’ilay mpitsara atao hoe Akram Gahramanov izy ireo ary nasainy nandoa vola be ho sazy (7 000 manat, izany hoe 3 932 euros), satria fotsiny hoe nizara bokikely ara-baiboly iray. Nofoanany avy eo ilay sazy satria efa tamin’ny 17 Febroary 2015 izy ireo no notanana am-ponja. Tsy noraharahain’ilay fitsarana ny tenin’ny ONU izay nandidy an’i Azerbaïdjan hanome onitra azy roa vavy noho izy ireo nogadraina tsy ara-drariny.

Na dia mbola tsy salama tsara aza Rtoa Zakharchenko sy Rtoa Jabrayilova, dia faly izy ireo satria nafahana. Efa any an-tranony miaraka amin’ny fianakaviany izy ireo izao.