Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

14 JOLAY 2015
AZERBAÏDJAN

Tanan’i Azerbaïdjan Am-ponja Roa Volana Fanampiny Izy Roa Vavy

Tanan’i Azerbaïdjan Am-ponja Roa Volana Fanampiny Izy Roa Vavy

Tamin’ny 4 Jolay 2015 dia nampian’ny Fitsaram-paritr’i Sabail roa volana indray ny fotoana itanana am-ponja vonjimaika ny vehivavy roa Vavolombelon’i Jehovah. Lasa amin’ny 17 Septambra 2015 indray izany i Irina Zakharchenko sy Valida Jabrayilova vao havoaka. Lazain’ireo mpaka am-bavany fa ilain’izy ireo, hono, izany mba hanomanany ny fitsarana an’ilay raharaha.

Nogadrain’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena (MNS) tsy ara-drariny izy roa vavy ireo tamin’ny 17 Febroary 2015, satria hoe niresaka momba ny Baiboly tamin’ny mpiara-monina aminy. Mbola maka am-bavany Vavolombelon’i Jehovah maro ny MNS, mifandray amin’io raharaha io. Alaina am-bavany imbetsaka ny sasany amin’ireo Vavolombelona ireo.