Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

14 DESAMBRA 2015
AZERBAÏDJAN

Tsy Raharahain’i Azerbaïdjan ny Fangatahan’ny ONU Hamindra An’i Irina Zakharchenko

Tsy Raharahain’i Azerbaïdjan ny Fangatahan’ny ONU Hamindra An’i Irina Zakharchenko

Tsy noraharahain’i Azerbaïdjan ilay fangatahana maika nataon’ny Komitin’ny Firenena Mikambana Miaro ny Zon’olombelona mba hanala an’i Irina Zakharchenko any am-ponja, ary hamindra azy any amin’ny toeram-pitsaboana na hambenana any an-tranony. Tsy nanaiky hamindra azy ny mpitsara tamin’ny 10 Desambra 2015, herinandro taorian’ny naharaisan’ny fanjakana an’ilay fangatahana. Mijaly be i Irina Zakharchenko satria efa folo volana izay no nigadrany. Tsy ampy sakafo izy, tsy ampy torimaso mihitsy, ary tena reraka ny sainy.

Tsy nety namindra an’i Valida Jabrayilova mba hambenana any an-tranony koa ilay mpitsara. Io vehivavy io ilay Vavolombelon’i Jehovah hafa tsaraina.

Amin’ny 17 Desambra 2015 indray no fotoana manaraka eny amin’ny Fitsaram-paritr’i Bakou Pirallahi.