Hijery ny anatiny

Vaovao Ara-pitsarana sy Zon’olombelona

Vavolombelon’i Jehovah Gadraina Noho ny Finoany (Isaky ny Tany)

Resahina ato ny tany misy Vavolombelon’i Jehovah migadra noho izy ireo nampihatra ny zony sy ny zavatra inoany. Mijaly be ny sasany amin’izy ireny.

ROSIA

Ampihorohoroina ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia

Efa nofoanan’i Rosia ny fikambanana ara-dalàna ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia mbola enjehiny koa ny Vavolombelona ary sakantsakanany tsy hanompo an’Andriamanitra izy ireo.

ALEMAINA

Eken’i Alemaina hoe ny Sata Mifehy ny Fivavahana Lehibe no Mifehy ny Vavolombelon’i Jehovah

Mahazo tombontsoa hoatran’ny fivavahana lehibe hafa izao ny Vavolombelon’i Jehovah any Alemaina, taorian’ny ady teny amin’ny fitsarana naharitra 26 taona mahery.

ROSIA

Nohamafisin’ny Fitsarana Tampon’i Rosia Ilay Didim-pitsarana Manameloka ny Vavolombelon’i Jehovah

Nolavin’ny Fitsarana Tampon’i Rosia ny fangatahan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary nohamafisiny ilay didy navoakany tamin’ny 20 Aprily. Nitaraina tany amin’ny CEDH sy ny Komitin’ny ONU Miaro ny Zon’olombelona ny Vavolombelona.

TURKMÉNISTAN

Hampiharin’i Turkménistan Ihany ve ny Didy Navoakan’ny Komitin’ny Firenena Mikambana?

Mandidy an’i Turkménistan ny Komitin’ny Firenena Mikambana mba hamela ny olona hanana ny heviny sy ny fivavahany ary hanaraka ny feon’ny fieritreretany.

ROSIA

Mijaly ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia Noho Ilay Didim-pitsarana Navoakan’ny Fitsarana Tampony

Lasa ratsy laza ny Vavolombelon’i Jehovah noho ilay didy nivoaka, ary vao mainka sahy mampijaly azy ireo ny olona sy ny manam-pahefana.

KOREA ATSIMO

Miaiky ny Fitsarana any Korea Atsimo fa Manan-jo Tsy Hanao Miaramila ny Olona

Namoaka didy ny fitsarana any Korea Atsimo fa tsy tokony havoaka ao amin’ny Internet ny anaran’ireo tsy mety hanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany.

EJIPTA

‘Tena Tiako Raha Foanana Ilay Fandrarana Satria Tsy Rariny Mihitsy Ilay Izy’

Fivavahana ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah any Ejipta, taona maro lasa izay, nefa lasa voarara tatỳ aoriana. Asongadin’ny lahatsoratra iray anefa hoe olona tsara toetra ny Vavolombelon’i Jehovah.