Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

19 OKTOBRA 2018
ROSIA

Lazaina fa Manana Fitaovam-piadiana Mahery Vaika ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia

Lazaina fa Manana Fitaovam-piadiana Mahery Vaika ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia

Nilaza ny mpanao gazety maro maneran-tany fa vao haingana ny manam-pahefana rosianina no nanao fikarohana tany amin’ny faritr’i Kirov ka nahita fitaovam-piadiana lazaina fa an’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tany an-tranon’ny lehilahy iray tsy Vavolombelona anefa no nahitan’ny manam-pahefana azy ireo. Grenady roa sy vanja milevina iray, izay samy fitaovam-piadiana tamin’ny Ady Lehibe II sady tsy mandeha intsony no hitan’izy ireo. Vavolombelon’i Jehovah ny vadin’io lehilahy io ary toa tsy nahafantatra ny fisian’izy ireo akory.

Lehiben’ny ekipa iray ao amin’ny “Poisk” (na Fikarohana), any Rosia, ilay lehilahy nahitana an’ireo fitaovam-piadiana ireo. Mikaroka ny fatin’ny miaramila tamin’ny Ady Lehibe II io fikambanana malaza io mba handevenana azy ireo. Matetika ireny mpikaroka ireny no mahita zavatra nampiasaina tamin’ny ady, anisan’izany ny fitaovam-piadiana efa tsy mandeha intsony.

Tsy mitsahatra mamoron-dainga ny manam-pahefana rosianina mba hanimbana ny lazantsika satria isika vahoaka tia fihavanana. Mampahatsiahy antsika ny tenin’i Jesosy izany. Nilaza izy hoe hamoron-dainga ny mpanohitra “ka lazainy fa nanao izao zava-dratsy rehetra izao” ny mpianany.—Matio 5:11.