Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

22 AOGOSITRA 2018
ROSIA

Tsy Gadraina Intsony fa Ambenana ao An-trano

Tsy Gadraina Intsony fa Ambenana ao An-trano

Ny roa amin’ireo rahalahy lasa ambenana any an-tranony sy ny mpisolovavany. Avy eo ankavia miankavanana: Vitaly Svintsov (mpisolovava), Vladimir Kochnev, Aleksandr Suvorov, ary Egiazar Chernikov (mpisolovava).

Namoaka didy i Inna Yangubayeva, mpitsara ao amin’ny Fitsaram-paritr’i Leninsky, any Rosia, tamin’ny 3 Aogositra 2018, hoe hambenana ao an-tranony ny Rahalahy Vladimir Kochnev sy Aleksandr Suvorov. Efa nigadra 78 andro izy roa lahy ireo. Efa nigadra 64 andro koa ny Rahalahy Konstantin Petrov tamin’io daty io, ary namoaka didy koa ny fitsarana ao Magadan hoe hambenana any an-tranony koa izy. Faly aloha isika hoe tsy any am-pigadrana intsony izy telo mirahalahy ireo. Mbola mihantona anefa ny fitsarana azy ireo ary mety higadra hatramin’ny folo taona izy ireo raha meloka.

Misy Vavolombelona 9 ambenana any an-tranony sy Vavolombelona 25 migadra any Rosia, tamin’ny 16 Aogositra. Rahalahy sy anabavy 30 kosa no nasaina nanao sonia taratasy milaza hoe tsy mahazo miala ao amin’ny tanàna misy azy izy ireo raha tsy mahazo alalana avy amin’ny manam-pahefana. Mivavaka ho an’ny rahalahy sy anabavintsika any Rosia foana isika satria miatrika zavatra tena sarotra izy ireo.—2 Korintianina 1:11.