Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

21 SEPTAMBRA 2017
PORTO RICO

Tatitra Voalohandohany Taorian’ny Rivo-doza Maria

Tatitra Voalohandohany Taorian’ny Rivo-doza Maria

Ny Rivo-doza Maria no rivo-doza mahery indrindra fahadimy namely an’i Etazonia. Nandravarava tany Porto Rico izy io tamin’ny alarobia 20 Septambra 2017. Vokatr’izany, dia tapaka tanteraka ny herinaratra ao amin’ilay nosy, ary nandrara ny fivezivezena manomboka amin’ny enina ora hariva ny fanjakana.

Tsy nisy rahalahy na anabavy voalaza hoe naratra na maty. Efa mandeha ny fanampiana vonjy rano vaky. Efitrano Fanjakana iray tsy simba no hampiasain’ireo rahalahy mba hametrahana ny tra-boina sy hizarana fanampiana.

Zara raha nisy fahasimbana ny Betela any San Juan, ary tsy nisy naninona ireo rahalahy sy anabavy. Tapaka izao ny Internet ao amin’ny Betela. Milina mpamokatra herinaratra koa no ampiasaina.

Matoky isika fa hampahery an’ireo rahalahy sy anabavy ny ezaka mafy ataon’ny fandaminan’i Jehovah mba hanampiana azy ireo.—2 Korintianina 1:3

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Maneran-tany: David A. Semonian, Biraon’ny Filazam-baovao, +1-845-524-3000