Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

Nisy 66 000 mahery ny mpanatrika an’ilay fivoriambe, ary 6 200 mahery ny mpiasa an-tsitrapo teo an-toerana.

29 JANOARY 2019
PEROA

Natao Tany Peroa ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra Manokana Farany Tamin’ny 2018

Natao Tany Peroa ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra Manokana Farany Tamin’ny 2018

Natao tany Peroa, tamin’ny 23-25 Novambra 2018, ny farany tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra manokana hoe “Manàna Herim-po”! Faly nandray an’ireo Vavolombelon’i Jehovah 3 400 avy any amin’ny firenena sivy ny Vavolombelona teo an-toerana. Tao amin’ny Kianja Monumental tao Lima renivohitra no natao ilay fivoriambe. Nahatratra 66 254 ny tampon’isan’ny mpanatrika tao amin’io kianja io sy tany amin’ny toerana efatra hafa. Nisy 719 no natao batisa. Natao tamin’ny teny anglisy, espaniola, quechua ayacucho, ary tenin’ny tanana perovianina ny fandaharana.

Ankizikely ao amin’ny Kianja Monumental manao veloma, amin’ny andro farany amin’ilay fivoriambe.

Niavaka iny vanim-potoana iny satria afaka nanompo niaraka tamin’ny vahiny ny Vavolombelon’i Jehovah teo an-toerana. Faly koa ny vahiny rehefa nankafy ny sakafo avy any sy nahalala ny kolontsainy ary nitsidika ny sampan’i Peroa.

Hoy i Ezequiel Porras, solontenan’ny sampan’i Peroa: “Tena nisy vokany be iny fivoriamben’ny vondrom-paritra manokana teto Peroa iny ka tsy hohadinoin’ireo rahalahy sy anabavy mihitsy. Fitoriana vita ho azy ho an’ny manodidina koa ilay izy. Misaotra an’i Jehovah izahay satria afaka nanome voninahitra ny anarany tamin’ny fomba hafakely.”—1 Petera 2:12.

 

Nasiana dobo fandrobohana maromaro tao amin’ilay Kianja Monumental ary nisy 483 no natao batisa tao. Nisy 236 koa no natao batisa tany amin’ireo toerana efatra hafa.

Mpitory eo an-toerana miara-mitory amin’ny vahiny.

Ny Rahalahy Samuel Herd, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no nanao ny lahateny famaranana ho an’ny andro tsirairay.

Faly nandray ny vahiny teo amin’ny Seranam-piaramanidina Iraisam-pirenen’i Jorge Chávez any Lima, ny rahalahy sy anabavy teo an-toerana.

Nisy fampirantiana Baiboly nandritra ny fitsidihana ny sampana. Naseho tamin’ilay izy hoe ahoana no nataon’i Jehovah mba ho ao amin’ny Baiboly foana ny anarany.

Rahalahy mampiseho ny fikarakarana sakafo perovianina isan-karazany, ao amin’ny Efitrano Fivoriambe. Hazan-dranomasina no karakaraina sy aroso eto.

Fomba fanaovana kofehy nentim-paharazana. Matetika ilay kofehy no lokoana amin’ny zavamaniry rehefa vita.

Afaka nankafy korana takariva ny vahiny nitsidika ny sampana. Nisy tantara an-tsehatra nolalaovina niaraka tamin’ny mozika tamin’ilay izy, ary nitondra ny loha hevitra hoe “Vonona Aho!” Izay mampiavaka ny faritra ngazana any amoron-tsiraka sy ny Tendrombohitra Andes ary ny alan’i Peroa no naseho tamin’ireo mozika sy zavamaneno ary dihy nentim-paharazana.

Dihy nentim-paharazana avy any Trujillo, naseho tamin’ilay korana takariva.

Nolalaovina tamin’ny tantara an-tsehatra ny karazana fitoriana any. Mampiavaka ny Quechua any amin’ny faritra be tendrombohitra any Cuzco ny trano sy akanjo aseho eto.

Manofahofa tanana manao veloma ny mpandray anjara rehetra tamin’ilay korana takariva.