Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

5 APRILY 2019
NIZERIA

Fifaliam-be ny Fivoahan’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao Nohavaozina Amin’ny Fiteny Roa any Nizeria

Fifaliam-be ny Fivoahan’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao Nohavaozina Amin’ny Fiteny Roa any Nizeria

Nanao fivoriana manokana tao amin’ny Efitrano Fivoriambe any Benin City, any Nizeria, ny mpiara-manompo amintsika, tamin’ny 12 Janoary 2019. Tamin’izay no navoakan’ny Rahalahy Geoffrey Jackson, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nohavaozina amin’ny fiteny isoko sy yorobà. Nisy 60 672 ny fitambaran’ireo nanaraka an’ilay fandaharana. Nisy tamin’izy ireo nanaraka mivantana avy any amin’ny Efitrano Fanjakana 106 sy Efitrano Fivoriambe 9 ary toerana maromaro hafa any Bénin.

Rahalahy Jackson miaraka amin’ny fianakaviana iray ao amin’ny Efitrano Fivoriambe any Benin City, any Nizeria

Hoy ny Rahalahy Gad Edia, ao amin’ny biraon’ny sampan’i Nizeria: “Telo taona sy roa volana no namitana an’ilay Baiboly amin’ny fiteny isoko. Telo taona sy telo volana kosa ny an’ny fiteny yorobà.” Hoy izy rehefa namarana ny teniny: “Vavolombelon’i Jehovah 5 000 mahery no miteny isoko, eto Nizeria, ary 50 000 mahery no afaka manoratra sy miteny yorobà. Nilaza ny olona iray hoe rehefa nahazo an’ilay Baiboly nohavaozina ny mpanatrika dia niaraka nihoraka daholo satria faly loatra. Afaka matoky àry isika hoe tena tsy very maina mihitsy ny asa mafy natao!”

Efa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny fiteny 179 izao ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao manontolo na ny ampahany.

Faly isika satria mora kokoa amin’ny rahalahintsika izao ny mamaky sy mianatra ny Baiboly amin’ireo fiteny ireo.—2 Timoty 3:17.