Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

11 APRILY 2018
KAZAKHSTAN

Nafahana avy tao Amin’ny Fonjan’i Kazakhstan i Teymur Akhmedov ny 4 Aprily 2018

Nafahana avy tao Amin’ny Fonjan’i Kazakhstan i Teymur Akhmedov ny 4 Aprily 2018

Namela heloka an’i Teymur Akhmedov ny filoham-pirenen’i Kazakhstan, Nursultan Nazarbayev, ka nanafaka azy tamin’ny 4 Aprily 2018. Navelan’ny manam-pahefana hodidiana haingana tao amin’ny hopitaly any Almaty izy, tamin’ny 27 Martsa 2018, ary mbola mijanona any izy izao.

Efa nanomboka tamin’ny 18 Janoary 2017 no nigadra ny Rahalahy Akhmedov, izay 61 taona izao, satria fotsiny hoe nampihatra ny zavatra inoany. Faly izy fa tafaraka amin’ny fianakaviany indray.

Faly isika rehetra fa manafaka ny mpanompony tsy mivadika i Jehovah.—2 Samoela 22:2.