Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

26 FEBROARY 2018
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Mamely An’ireo Nosy any Pasifika Atsimo ny Rivo-doza Gita

Mamely An’ireo Nosy any Pasifika Atsimo ny Rivo-doza Gita

Nandalo tany Samoa sy Samoa Amerikanina ny Rivo-doza Gita tamin’ny 10 sy 11 Febroary 2018. Nihanahery vaika ilay rivo-doza. Nandalo tany Tonga koa izy io tamin’ny 12 Febroary ka nahatonga tondra-drano sy nanimba zavatra be dia be.

Tsy nisy Vavolombelon’i Jehovah naratra mafy na matin’io rivo-doza io. Betsaka anefa ny trano simba be. Ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky no nanampy tamin’ny fizarana fanampiana ka nahazo labasy sy sakafo ary zavatra hafa ny tra-boina.

Nisy trano folo simba be tany SAMOA.

Trano telo no simban’ny rano tany SAMOA AMERIKANINA. Mipetraka any amin’ny Vavolombelon’i Jehovah namany àry aloha izay tsy maintsy niala tamin’ny tranony.

Enina, fara fahakeliny, ny trano simba be tany TONGA. Nampiasaina àry ny Efitrano Fanjakana mba hipetrahan’izay rahalahy sy anabavy tsy manan-kialofana.

Faly isika fa tsy nisy Vavolombelon’i Jehovah naratra mafy tamin’iny loza iny. Manome an’izay ilain’izy ireo koa ny mpiara-manompo. Mampiseho izany fa mifankatia isika. Io toetra io mihitsy ilay nolazain’i Jesosy hoe hamantarana ny tena mpanara-dia azy.—Jaona 13:34, 35.

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Maneran-tany: David A. Semonian, Biraon’ny Filazam-baovao, +1-845-524-3000

Samoa Amerikanina: Panapa Lui, +1-684-770-0064

Samoa: Sio Taua, +685-20 629

Tonga: Palu Kanongata’a, +676-25 736