Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

Efitrano Fanjakana any Tortola, tamin’ny mbola simba sy rehefa vita. Dimy ny Efitrano Fanjakana simban’ny Rivo-doza Maria, tany amin’ny Nosy Vierges Amerikanina sy Britanika, ka io ny iray. Io koa no namboarina voalohany.

19 JANOARY 2018
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Mbola Mitohy Foana ny Fanampiana Tra-boina

Mbola Mitohy Foana ny Fanampiana Tra-boina

NEW YORK—Betsaka ny ezaka efa natao mba hanampiana an’ireo tra-boina tamin’ilay Rivo-doza Irma sy Maria, izay nandravarava faritra be dia be tao Karaiba sy ny manodidina azy, tamin’ny Septambra 2017. Mbola mitohy foana izany ezaka izany, araka ny tatitra voaray avy any amin’ireto sampana ireto: Sampan’i Barbade, Cuba, Repoblika Dominikanina, Frantsa, ary Etazonia. Inona avy no atao amin’izany?

Faritra iandraiketan’ny sampan’i Barbade: Anguilla, Antigua sy Barbude, Dominique, ary Saint-Martin (Holandey)

Nisy Komitin’ny Vonjy Rano Vaky (KVRV) telo natsangana, ka ny sampan’i Barbade sy Frantsa no niara-nanangana ny iray. Nanendry rahalahy sy anabavy avy tao amin’ny faritra tratran’ilay loza ireo komity ireo, mba hikarakara an’izay tena ilain’ny mpitory tra-boina. Rehefa nojerena koa izay zavatra simba tany amin’ireo faritany iandraiketan’ny sampan’i Barbade, dia hita fa 2,4 tapitrisa dolara eo ho eo no ilaina hanamboarana azy. Efitrano Fanjakana 8 sy trano 122 an’ny Vavolombelona, ohatra, no mbola mila amboarina. Trano 19 kosa no nila naverina naorina tanteraka.

Efitrano Fanjakana simba be tamin’ny Rivo-doza Maria, any Grand Bay, any Dominique.

Faritra iandraiketan’ny sampan’i Cuba

Nilaza ny sampan’i Cuba fa tena mila ampiana ny mpitory tra-boina tamin’ilay Rivo-doza Irma, ka efa miezaka manao an’izany ry zareo. Misy solontenan’ny sampana, ohatra, mitsidika an’ireo tra-boina mba hampahery azy ireo.

Faritra iandraiketan’ny sampana any amin’ny Repoblika Dominikanina

Misy 57 ny mpitory tra-boina any, ary telo ny KVRV nikarakara azy ireo. Ny mpiara-manompo koa moa nanome sakafo, rano, akanjo, ary zavatra hafa tena ilaina. Efa voadio sy vita tsara daholo izay trano simba, tamin’ny faran’ny volana Oktobra, ary saika ny mpiasa an-tsitrapo tany daholo no nanao azy.

Faritra iandraiketan’ny sampan’i Frantsa: Goadelopy sy Saint-Martin

Nanangana KVRV tany amin’ny Nosy Saint-Martin ny sampana, dia nasiany foibe hikarakarana an’izay ilain’ny tra-boina koa tany Goadelopy. Ao no andrindrana ny asa fanarenana ny simba. Efa ho 1,4 tapitrisa dolara no ilaina amin’izany. Efitrano Fanjakana 12, ohatra, no mbola mila amboarina any Goadelopy. Roa kosa ny any Saint-Martin, sady miampy trano 24 an’ireo rahalahy tra-boina. Mahatratra 22 ny mpiasa an-tsitrapo avy any Frantsa sy Goadelopy ary Martinika hanampy amin’izany.

Simba be ny fananan’ny mpitory iray any Saint-Martin, taorian’ilay Rivo-doza Maria.

Faritra iandraiketan’ny sampan’i Etazonia: Nosy Vierges Amerikanina sy Britanika, Floride, Géorgie, Porto Rico, ary ny Nosy Turks sy Caïques

Mpitory 13 000 mahery no tra-boina any amin’ireo faritra ireo. Efatra ny KVRV miasa any, ary efa vita ny ampahany voalohany amin’ny asan-dry zareo. Betsaka no simba tamin’ny fananan’ireo rahalahy, nefa efa tafaverina amin’ny laoniny ny 95 isan-jato mahery amin’izany. Efa nomena sakafo sy rano ary zavatra hafa koa ry zareo. Mbola mitohy ny asa any Porto Rico sy any amin’ireo Nosy Vierges Amerikanina sy Britanika.

Mpiasa an-tsitrapo manadio tranona mpitory any Porto Rico. Tranona mpitory 3 200 mahery no simban’ilay rivo-doza.

Raha atambatra, dia 690 ny mpiasa an-tsitrapo hanamboatra an’ireo Efitrano Fanjakana sy trano hafa simba, ka 450 no hiasa any amin’ireo nosy, ary 240 kosa any Floride sy Géorgie. Vola 30 tapitrisa dolara mahery no ilaina amin’ilay fanampiana tra-boina, ary ireto avy no hamboarina:

  • Nosy Vierges Amerikanina sy Britanika: Efitrano Fanjakana 5 sy trano 190

  • Floride: Efitrano Fanjakana 40 sy trano 1 174

  • Porto Rico: Efitrano Fanjakana 106 sy Efitrano Fivoriambe 2 ary trano 1 216

  • Nosy Turks sy Caïques: Efitrano Fanjakana 2 sy trano 56

Mivavaka isika mba hampaherezin’i Jehovah ny mpiasa an-tsitrapo rehetra manampy tra-boina, ka tsy hiraviravy tanana. Matoky koa isika fa hanampy an’ireo rahalahintsika ho tafarina ireny fanampiana sy fampaherezana ireny, ka ho tafaraka hanompo an’i Jehovah Andriamanitsika indray izy rehetra.—Nehemia 2:18.

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Iraisam-pirenena: David A. Semonian, Biraon’ny Filazam-baovao, +1-845-524-3000

Barbade: John Medford, +1-246-438-0655

Repoblika Dominikanina: Josué Féliz, +1-809-595-4007

Frantsa: Guy Canonici, +33-2-32-25-55-55