Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

Biraom-panjakana iray any Virginia Beach, nisy an’ilay tifitra variraraka

4 JONA 2019
ETAZONIA

Tifitra Variraraka Tany Virginia Beach, Etazonia

Tifitra Variraraka Tany Virginia Beach, Etazonia

Nisy lehilahy niditra tao amin’ny biraom-panjakana iray any Virginia Beach, any Etazonia, tamin’ny 31 Mey 2019, ary nitifitra ny mpiasa tao. Olona 12 no maty ary 4 no naratra.

Nanao tatitra ny sampan’i Etazonia hoe mampalahelo fa maty tamin’iny fanafihana iny i LaQuita Brown, anabavintsika. Sivy amby telopolo taona ny Anabavy Brown, ary mpisava lalana maharitra ao amin’ny Fiangonana Seaview Frantsay, any Norfolk, Virginie. Mpiasa an-tsitrapo manao fanorenana koa izy. Miezaka mampahery ny havana aman-tsakaizan’ny Anabavy Brown ny anti-panahy sy ny mpiandraikitra ny faritra.

Mampalahelo iny zava-nitranga tamin’ny anabavintsika iny. Tsy andrintsika ny ahatongavan’ny fotoana tsy hisian’ny loza hoatr’ireny intsony sy ny hisian’ny “fiadanam-be” eto an-tany.—Salamo 37:10, 11.