Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

Sarin’ny Toerana Fahatsiarovana An’i Ravensbrück, any Fürstenberg, any Alemaina, nalaina vao haingana.

10 JANOARY 2019
ALEMAINA

Tranombakoka Manao Fampirantiana ho Fahatsiarovana ny Vavolombelon’i Jehovah Nampijalina Tany Alemaina

Tranombakoka Manao Fampirantiana ho Fahatsiarovana ny Vavolombelon’i Jehovah Nampijalina Tany Alemaina

Mikarakara fampirantiana haseho any amin’ny toerana samihafa ny tranombakoka Fahatsiarovana An’i Ravensbrück. Izao no loha hevitra: “Fandrarana ny Vavolombelon’i Jehovah sy Fampijaliana Azy Ireo Tany Amin’ny Toby Fitanan’i Ravensbrück sy Tany Amin’ny Fonjan’ny RDA.” Asongadina amin’ilay izy ny fijaliana niaretan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Alemaina nandritra ny fitondran’ny Nazia (1933-1945) sy ny fitondran’ny Repoblika Demokratikan’i Alemaina (RDA na Alemaina Atsinanana; 1949-1990) ary ny Repoblikan’i Weimar (1918-1933). (Jereo ilay efajoro hoe “ Fanenjehana ny Vavolombelon’i Jehovah Nandritra ny Fitondrana Telo Tany Alemaina.”) Nanomboka tamin’ny alahady 22 Aprily 2018 ilay fampirantiana, tao amin’ny Toerana Fahatsiarovana ny Toby Fitanan’i Ravensbrück, any Fürstenberg, any Alemaina. Hatao any Erfurt sy Rostock ary Potsdam, any Alemaina, koa ilay fampirantiana mandritra ny taona 2019. Hatao ao amin’ny lapam-panjakana any Brandebourg ilay any Potsdam.

Aseho ao amin’ilay fampirantiana ny tantaram-piainan’i Adolf Graf, anisan’ireo olona nomelohin’ny Nazia sy ny kominista.

Aseho ao ny tantaram-piainan’ny rahalahy sy anabavy 12, izay nenjehin’ny Nazia nefa mbola nenjehina koa tamin’ny fitondrana kominista tamin’ny RDA. Nalaina feo ny famakiana ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah nomelohina ho faty sy ny taratasy fanaovam-beloman’izy ireo ary ny lahatsoratra tany anaty gazety sy ny antontan-taratasy sasany tamin’ny andron’ny Nazia. Azo henoina ao amin’ilay fampirantiana koa ireo. An’aliny no nogadraina noho ny fiaviany, na ny heviny ara-politika, na noheverina ho mpanao heloka bevava. Hita amin’ilay fampirantiana kosa hoe tena nino an’i Jehovah ny rahalahy sy anabavintsika ka izany no antony nanagadrana azy ireo.

Hoy ilay mpahay tantara atao hoe Detlef Garbe, tamin’ny kabary nataony nandritra ny fanokafana an’ilay fampirantiana: “Tsy tian’ny mpiambina nazia mihitsy ny Vavolombelon’i Jehovah satria nanana finoana matanjaka, niray saina, ary tsy nety niova hevitra mihitsy. ... Nahavita tsy nivadika ny Vavolombelon’i Jehovah na dia tany amin’ny toby fitanana aza, satria tena tia nifanampy sady natoky tanteraka hoe hamonjy azy ireo Andriamanitra araka ny fanantenany.”

Mbola matoky foana ny Vavolombelon’i Jehovah hoe hanampy azy ireo i Jehovah na dia enjehina sy raran’ny fanjakana aza ny asany, hoatran’ny ataon’i Rosia amin’izao.—Isaia 54:17.