UKRAINE

Gadraina Noho ny Finoany: Ukraine

Gadraina Noho ny Finoany: Ukraine

Misy lalàna any Ukraine hoe mahazo manao fanompoana sivily izay olona mandà tsy hanao raharaha miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Nandray soa tamin’izany ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra ny 30 taona latsaka. Afaka nandray anjara tamin’ny asa fanasoavam-bahoaka isan-karazany ry zareo sady tsy nanenjika azy ireo ny feon’ny fieritreretany.

Rehefa nipoaka anefa ny ady tany Ukraine, tamin’ny 24 Febroary 2022, dia hita hoe tsy voalaza tao amin’ilay lalàna hoe afaka manao fanompoana sivily ny olona mandà tsy hanao raharaha miaramila noho ny feon’ny fieritreretany rehefa tsy mandry ny tany. Olona an-jatony àry no voampanga ho mpanao heloka bevava. Manitsakitsaka ny zon’izy ireo hanaraka ny feon’ny fieritreretany izany sady tsy miraharaha ny zavatra inoan’izy ireo mafy. Tsy mifanaraka amin’ny zon’olombelona izany sady mifanohitra amin’ny Lalàm-panorenan’i Ukraine, izay milaza hoe: “Raha tsy mety amin’ny finoan’ny olona iray ny hanao miaramila dia tokony hampanaovina fanompoana sivily (tsy misy ifandraisany amin’ny tafika) izy ho solony.”

Raha ny tatitra tamin’ny 17 Jona 2025, dia misy efatra ny lehilahy Vavolombelona migadra satria tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Samy manefa sazy telo taona izy ireo. Lehilahy Vavolombelona telo koa no tanana am-ponja vonjimaika, miandry ny hivoahan’ny didim-pitsarana.

Manahy ny fikambanana iraisam-pirenena

Misy olona telo Mpanao Tatitra Manokana eo Anivon’ny ONU nahamarika an’io fanao any Ukraine io. Nambaran’izy ireo fa manahy izy ireo satria tsy misy fandaharana hoe ampanaovina fanompoana sivily izay tsy manaiky hanao miaramila. Izao no filazana nalefany tany amin’ny fitondrana any Ukraine, tamin’ny 8 Novambra 2023: “Mampanahy anay koa ilay hoe enjehina eny amin’ny fitsarana ny olona tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany, anisan’izany ireo miady ho an’ny zo tsy hanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretana.”

Zava-nitranga

  1. 17 Jona 2025

    Misy fito ny Vavolombelona migadra.

  2. 24 Febroary 2022

    Nanomboka ny fitondrana miaramila. Asaina manao miaramila daholo ny vatan-dehilahy.

  3. 23 Jona 2015

    Nohamafisin’ny Fitsarana Avo any Ukraine, tamin’ilay raharaha mahakasika an’i Vitaliy Shalaiko, hoe manan-jo tsy hanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany ny olona na dia misy hotakotaka aza.

  4. Desambra 1991

    Nampiharina ny Lalàna Momba ny Fanompoana Sivily (Tsy Misy Ifandraisany Amin’ny Tafika).

  5. 28 Febroary 1991

    Nekena ho ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah any Ukraine.