Hijery ny anatiny

Sekolin’ny mpisava lalana ao amin’ny Efitrano Fanjakana iray any Sambir (ambony) ary iray hafa any ambany lakaly any Zhytomyr (ambany)

1 FEBROARY 2023
UKRAINE

VAOVAO FARANY #16 | Maneho Fitiavana Foana Ireo Rahalahy sy Anabavy na eo aza ny Krizy any Ukraine

Niverina indray ny sekolin’ny mpisava lalana

VAOVAO FARANY #16 | Maneho Fitiavana Foana Ireo Rahalahy sy Anabavy na eo aza ny Krizy any Ukraine

Nasiana sekolin’ny mpisava lalana tany amin’ny faritra sasany tsy mampidi-doza any Ukraine nanomboka tamin’ny 26 Desambra 2022, dia afaka nanao sekoly indray ny mpisava lalana maharitra sy ny mpisava lalana manokana. Manatrika mivantana na amin’ny Zoom ny mpisava lalana, arakaraka ny zava-misy eo an-toerana. Nataon’ny rahalahy sy anabavy izay hahafahana manatrika an’ilay sekoly na teo aza ny olana, ohatra hoe ny fanafihana ana habakabaka, ny jiro sy Internet tapatapaka, ary ny olana ara-bola. Vokatr’izany, dia lasa nitombo ny fitiavan’izy ireo an’i Jehovah sady nihanatanjaka ny finoany.

Anabavy maromaro manatrika sekolin’ny mpisava lalana amin’ny Zoom mandritra ny fotoana ahatapahan’ny jiro. Afaka nampiasa fitaovana elektronika vitsivitsy ry zareo satria nanana bateria

Nilaza i Natalia, avy any Kryvyi Rih, hoe: “Tena nanavotra ahy ilay sekoly satria nanampy ahy tsy ho resin’ny fanahiana sy ny tahotra.” Niteny koa i Anastasia, avy any Chernivtsi, hoe: “Nanampy ahy ho resy lahatra ilay sekoly hoe tena tia be ahy i Jehovah. Mafy be mantsy ny zava-nitranga tamin’iny taona lasa iny, dia tonga tamin’ny fotoana nilako azy mihitsy ilay sekoly. Hanao izay rehetra azoko atao aho mba hahazoana ny fitahian’i Jehovah foana.”

Mpisava lalana avy any Kitsman i Svitlana, ary nanahy be izy tamin’ny voalohany rehefa nahazo fanasana hanatrika an’ilay sekoly. Nanazava izy hoe: “Noresahiko tamin’i Jehovah ny zavatra nampanahy ahy, anisan’izany ny olana ara-bola. Natoky azy aho ary tsy nanenenako mihitsy izany. Tsapako hoe tena tia sy nikarakara ahy i Jehovah.” Tsy Vavolombelona ny vadin’i Svitlana. Nampahery an’io vadiny io ny nahita ny ezaka nataony dia lasa nanatrika ny fivorian’ny fiangonana niaraka tamin’i Svitlana izy.

Tapaka ny Internet nampiasan’i Victoria, dia mankeny amin’ny garan’ny lamasinina izy mba hahafahany miverina miditra ao amin’ilay sekoly

Indroa ny mpanao sekoly tany Zhytomyr no tsy maintsy nifindra tany ambany lakaly satria nisy fampitandremana hoe hisy fanafihana ana habakabaka. Nanohy an’ilay sekoly ry zareo sady nandrehitra fatana kitay mba hanafanana an’ilay efitra. Mpitory vao nifindra kelikely tany Zhytomyr i Valentyna. Na teo aza ireny olana ireny dia nilaza izy hoe: “Tsy hadinoko mihitsy iny sekoly iny. Hoatran’ny hoe teo ambany elatr’i Jehovah izany aho.”

Faly be hoatran’ny mpiara-manompo tany amin’ny tany maro ny mpisava lalana tany Ukraine rehefa naheno hoe nihena ny ora takina amin’ny mpisava lalana. Rehefa naheno an’ilay fampandrenesana i Yulia, dia nilaza hoe: “Tena tiako be i Jehovah. Nivavaka taminy aho ny marainan’io hoe mba ampio aho hijanona amin’ny laharan’ny mpisava lalana. Tsy fantatro hoe ahoana no hamaliany an’ilay vavaka, fa haiko fotsiny hoe hamaly izy. Rehefa henoko hoe nahena ny ora takina amin’ny mpisava lalana dia lasa nankasitraka be an’i Jehovah aho amin’ny zavatra ataony ho ahy. Tena tsara be ny faran’ilay sekoly satria nisy an’iny vaovao iny.”

Ireto ny tatitra azo avy any Ukraine, hatramin’ny 24 Janoary 2023. Tatitra avy amin’ireo rahalahy any an-toerana no nahazoana an’ireo antontan’isa ireo. Sarotra anefa ny mifandray tsy tapaka amin’ireo rahalahy any amin’ny faritra rehetra manerana an’ilay tany, ka mety hihoatra an’ireo ny tena isa marina.

Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo

  • Mpitory 47 no maty

  • Mpitory 97 no naratra

  • Mpitory 8 953 no nafindra toerana

  • Trano 590 no rava

  • Trano 645 no simba be

  • Trano 1 722 no simba kely

  • Efitrano Fanjakana 8 no rava

  • Efitrano Fanjakana 17 no simba be

  • Efitrano Fanjakana 76 no simba kely

Fanampiana tra-boina

  • Komitin’ny Vonjy Rano Vaky (KVRV) 26 izao no miasa any Ukraine

  • Trano 46 no namboarina

  • Efitrano Fanjakana 5 no namboarina

  • Olona 54 445 no nampian’ny KVRV mba hahita trano azo antoka kokoa

  • Mpitory 27 655 no nitsoaka any an-tany hafa ary efa ampian’ny mpiara-manompo any