23 APRILY 2025
UKRAINE
Ireo rahalahy enina nosamborina tany Ukraine satria tsy nety nanao miaramila, tamin’ny Febroary sy Martsa 2025
Rahalahy Telo any Ukraine no Nogadraina Tamin’ny Febroary sy Martsa 2025
Niampy Telo Ireo Rahalahy Notanana Am-ponja Vonjimaika
Nogadraina ny Rahalahy Vitalii Kryushenko tamin’ny Janoary 2025 satria tsy nety nanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Izy no Vavolombelon’i Jehovah voalohany nogadraina noho izany antony izany hatramin’ny nanombohan’ilay ady tany Ukraine, araka ny tatitra tato amin’ny jw.org. Nisy rahalahy enina koa nogadrain’ny fanjakana tatỳ aoriana satria tsy nety nanao miaramila.
Andrii Khomenko sy Iryna vadiny
Tamin’ny 3 Febroary 2025, dia voaheloka higadra telo taona ny Rahalahy Andrii Khomenko, 50 taona. Manan-janaka roa lahy izy sy Iryna vadiny. Izao no nolazain’i Andrii taloha kelin’ny nanagadrana azy: “Matoky aho hoe na dia miatrika zavatra faran’izay mafy aza, dia hanohana sy hanome fiadanan-tsaina ho ahy foana i Jehovah.”
Serhii Ivanushchenko
Herinandro teo ho eo fotsiny taorian’izay, izany hoe tamin’ny 11 Febroary 2025, dia naiditra am-ponja koa ny Rahalahy Serhii Ivanushchenko, 48 taona. Voaheloka higadra telo taona izy. Natao batisa tamin’ny Novambra 2023 izy ary voantso hanao miaramila volana vitsivitsy taorian’izay. Resy lahatra anefa izy hoe tsy tokony “hianatra ady intsony” ny mpanompon’Andriamanitra. Rehefa tonga tany amin’ny birao miandraikitra ny raharaha miaramila àry izy, dia niteny tamim-panajana hoe tsy hanao miaramila.—Isaia 2:4.
Serhii Nechaiuk
Tamin’ny 5 Martsa 2025, dia nomelohin’ny manam-pahefana higadra telo taona koa ny Rahalahy Serhii Nechaiuk, 35 taona. Manambady izy ary manan-janaka roa ry zareo. Izao no nolazainy talohan’izy higadra: “Fantatro hoe tsy irery mihitsy aho satria mivavaka ho ahy ny rahalahy sy anabaviko. I Jehovah koa tsy mandao ahy mihitsy.”
Noterena hankany amin’ny toby miaramila koa ny Rahalahy Mykhailo Adamovych (40 taona) sy Yaroslav Bodnarchuk (28 taona) ary Oleksandr Radashko (35 taona), teo anelanelan’ny Janoary sy Martsa 2025. Araka ny lalàna iokrenianina, dia raisin’ny manam-pahefana ho toy ny hoe efa nanomboka nanao miaramila ireo rahalahy ireo tamin’izay. Tsy nanaiky hanao fanamiana miaramila anefa ry zareo sady tsy nanaiky hitazona fitaovam-piadiana, ka nampangaina ho mpandika lalàna dia nogadraina. Notanana am-ponja vonjimaika aloha i Mykhailo sy Oleksandr, mandra-pahatongan’ny fitsarana azy ireo. Nafahana vonjimaika kosa i Yaroslav. Mety higadra telo hatramin’ny folo taona izy telo mirahalahy.
Avy any ankavia miankavanana: Mykhailo Adamovych, Yaroslav Bodnarchuk, ary Oleksandr Radashko
Mifanohitra amin’ny lalàna iraisam-pirenena sy ny lalàna iokrenianina ny zavatra nataon’ireo manam-pahefana ireo. Milaza, ohatra, ny Andininy faha-18 ao amin’ny Fanambarana Iraisam-pirenena Momba ny Zon’olombelona, sy ny Andininy faha-9 ao amin’ny Fifanarahana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona hoe manan-jo tsy hanao miaramila ny olona iray fa fanompoana sivily no atao solony. Efa niaiky hoe hankatò an’ireo lalàna iraisam-pirenena ireo ny fanjakana iokrenianina. Ny lalàm-panorenana any Ukraine koa moa mamela ny olona hanao fanompoana sivily.
Mivavaka isika mba hampionona sy hanampy foana an’ireo rahalahy manam-pinoana ireo i Jehovah. Mivavaka koa isika mba hanao hoatr’izany izy amin’izay rehetra miezaka mafy mba tsy hivadika aminy.—Salamo 34:7.

