8 JOLAY 2025
UKRAINE
Rahalahy Roa any Ukraine Indray no Nogadraina Satria Tsy Nety Nanao Miaramila
Niampy roa indray ny rahalahintsika nogadrain’ny manam-pahefana any Ukraine satria tsy nety nanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Araka ny Lalàm-panorenana any Ukraine, dia manan-jo handa tsy hanao miaramila ny olona iray raha tsy mety amin’ny finoany izany. Mbola samborina sy gadraina ihany anefa ny rahalahintsika any na dia efa miteny amim-panajana aza ry zareo hoe tsy hanao miaramila.
Oleksandr Shnyra sy Hanna vadiny
Tamin’ny 28 Mey 2025, dia nomelohin’ny Fitsarana eo Anivon’ny Distrikan’i Starokostiantyniv any amin’ny Faritr’i Khmelnytskiy ny Rahalahy Oleksandr Shnyra, 33 taona. Voaheloka higadra telo taona izy satria tsy nety nanao miaramila. Marihina fa nasain’ny fitsarana nambenana tao an-tranony i Oleksandr, tamin’izy nampiakatra an’ilay raharaha. Rehefa nanontaniana izy sy Hanna vadiny hoe inona no nanampy an-dry zareo hiaritra, dia hoy i Oleksandr: “Mampahery anay ny 1 Korintianina 15:58. Mampirisika anay izy io mba tsy ‘hanaiky ho voahozongozona sy tsy hiovaova mihitsy ary ho be atao foana amin’ny asan’ny Tompo.’ Niezaka ny ho be atao tamin’ny fanompoana àry izahay sady nanao an’izay azonay natao mba hanampiana ny fiangonana.”
Hennadii Barabash sy Dina vadiny
Noterena ho any amin’ny toby miaramila ny Rahalahy Hennadii Barabash sady nosoratana tao amin’ny lisitr’ireo hanao miaramila ny anarany, na dia tsy sitrapony aza. Manan-janaka roa izy ary 48 taona. Rehefa tsy nanaiky ny baikon’ireo miaramila i Hennadii dia nampangaina ho mpikomy amin’ny manam-pahefana. Nasain’ny Fitsarana eo Anivon’ny Distrikan’i Lychakivskyi any Lviv hampidirina am-ponja vonjimaika izy tamin’ny 10 Jona 2025. Izao no nolazainy: “Matoky an’i Jehovah aho sady mino hoe tsy handao an’ahy mihitsy izy. Misaintsaina ny fampanantenany sy mivavaka matetika aminy aho, dia amin’izay be herim-po kokoa sady tsy voahozongozona mihitsy ny finoako.”
Mivavaka foana ho an’ny rahalahintsika any Ukraine isika noho ry zareo be herim-po mankatò an’ilay didin’i Jesosy hoe “tsy anisan’izao tontolo izao.”—Jaona 17:16.

