Malagasy
Rahalahy Telo Navoaka ny Fonja Tany Rosia
https://cms-imgp.jw-cdn.org/img/p/702025061/univ/art/702025061_univ_sqr_xl.jpg

17 APRILY 2025
ROSIA

Vladimir Melnik sy ny vadiny ary ireo zanany vavy (ankavia), Vladimir Piskarev (afovoany), ary Artur Putintsev sy ny vadiny (ankavanana), taorian’ny nanafahana azy telo mirahalahy

Rahalahy Telo Navoaka ny Fonja Tany Rosia

Rahalahy Telo Navoaka ny Fonja Tany Rosia

Nafahana tany am-ponja ny Rahalahy Vladimir Melnik sy Vladimir Piskarev ary Artur Putintsev, tamin’ny 9 Aprily 2025. Samy voaheloka higadra enin-taona ry zareo tamin’ny 13 Oktobra 2023. Noraisina hoe efa voaefa ny sazin’izy telo mirahalahy satria nanomboka tamin’ny Desambra 2020 ry zareo no nigadra.

Nafindra fonja tany amin’ny 1 400 kilaometatra teo ho eo niala ny toerana nitsarana azy i Vladimir Melnik. Sarotra tamin’ny fianakaviany àry ny nitsidika azy. Nisy fotoana koa izy natoka-monina tamin’izy nigadra. Inona no nanampy an’i Vladimir hiaritra? Hoy i Irina vadiny: “Tena natoky ny fampanantenan’i Jehovah izy, dia vitany ny niatrika olana isan-karazany. Nazoto nivavaka koa izy, dia izay no nanampy azy hifantoka foana amin’ny fanantenany fa tsy hilavo lefona.”

Vladimir Piskarev, taorian’ny nanafahana azy tany am-ponja, miresaka amin’i Tatyana vadiny. Mbola manao asa an-terivozona io vadiny io amin’izao

Efa ho efa-taona sy tapany izy telo mirahalahy no tafasaraka tamin’ny fianakaviany. I Vladimir Piskarev kosa amin’izao mbola tsy afaka miaraka amin’i Tatyana vadiny. Nomelohina hanao asa an-terivozona roa taona sy tapany mantsy io anabavy io tamin’ny 1 Martsa 2024, ary mbola any am-ponja izy izao. Inona no vokatr’ireny olana ireny amin’izy mivady? Nilaza i Tatyana hoe: “Lasa mifankatia kokoa izahay roa, ary vao mainka mitombo ny fitiavanay an’i Jehovah sy ny olon-kafa. Tsy misy na inona na inona afaka manova an’izany!”

Nahavita niatrika olana maro i Artur Putintsev tamin’izy nigadra satria nanana toetra tsara. Izao no nolazain’i Lyudmila vadiny: “Rehefa nisy olana teo amin’izy sy ny mpiara-migadra taminy, dia tsara fanahy tamin-dry zareo foana i Artur ary nanome sakafo an-dry zareo. Tia mitandro fihavanana ny vadiko.” Hitan’i Artur sy Lyudmila koa hoe nanohana an-dry zareo i Jehovah satria teo ny mpiara-manompo. Hoy i Lyudmila: “Tsy navelan’i Jehovah hiady irery mihitsy izahay. Hitanay hoe na dia mety hitsimbadika tanteraka aza ny fiainanay, dia hanampy anay hiaritra foana i Jehovah. Mila matoky tanteraka azy fotsiny isika.”

Misaotra an’i Jehovah isika noho izy be fitiavana ka manohana sy mikarakara an’ireo rahalahy sy anabavy ireo. Marina fa mbola miaritra ry zareo amin’izao, nefa matoky isika hoe ‘hanao ny rariny sy ny hitsiny i Jehovah amin’izay rehetra ampijalina.’​—Salamo 103:6.