11 JANOARY 2023
NORVEZY
Neken’ny Fitsarana Any Norvezy ny Fangatahan’ny Vavolombelon’i Jehovah hoe Ahemotra Ilay Fanesorana Azy Ireo Tsy ho Fivavahana Ara-dalàna
Tamin’ny 30 Desambra 2022, dia neken’ny fitsaram-paritra any Oslo ny fangatahantsika hoe tsy tonga dia hesorina tsy ho anisan’ny fivavahana ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah any Norvezy, na dia nieritreritra ny hanao an’izany aza ny fanjakana any. Ny governoram-paritr’i Oslo sy Viken no nanambara hoe tsy hekena ho fivavahana ara-dalàna intsony isika. Noho ilay fangatahana nataontsika anefa, dia mbola ekena ho fivavahana ara-dalàna ihany aloha isika hatreto. Mbola handinika kokoa an’ilay raharaha mantsy ny fitsarana. Ny Minisiteran’ny Ankizy sy ny Fianakaviana kosa tsy nanaiky ny fanapahan-kevitr’ilay fitsaram-paritra.
Biraon’ny Fandikan-teny Mitokana sy trano fanaovana sekoly ara-baiboly any Norvezy. Tao ny biraon’ny sampan’i Norvezy taloha. Lasa ny biraon’ny sampan’i Skandinavia, any Danemark, indray no manara-maso ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Norvezy, nanomboka tamin’ny 2012
Soa ihany anefa fa nisy an’io fanapahan-kevitra io. Mahasoa ny rahalahy sy anabavintsika any ilay izy, anisan’izany ny Vavolombelona sasany te hisora-panambadiana. Raha te hiangavy olona hanoratra ny fanambadiany mantsy ry zareo, dia izay olona mpivavaka ao amin’ny fivavahana ekena ho ara-dalàna ihany no azony iangaviana hanao izany. Izay no lalàna any Norvezy. Tsy hahazo alalana hanoratra fanambadiana intsony izany izay Vavolombelona nahazo nanao an’izany, raha tanterahin’ny fanjakana ilay hoe tsy hekena ho anisan’ny fivavahana ara-dalàna intsony ny Vavolombelon’i Jehovah. Noho ilay fanapahan-kevitry ny fitsarana anefa, dia mbola afaka misoratra any amin’ny Efitrano Fanjakana izay Vavolombelon’i Jehovah te hanao an’izany sady afaka mangataka hoe Vavolombelon’i Jehovah ihany no hanoratra ny fanambadian-dry zareo.
Rahalahy Bjørnstad sy ny Ranabavy de Andrade Montelo. Mpifamofo izy roa. Nampidirina tao amin’ilay fangatahana nalefa tany amin’ny fitsarana tamin’ny 28 Desambra 2022 ny tenin-dry zareo
Anisan’ireo mpifamofo mieritreritra ny hisora-panambadiana, ohatra, ny Rahalahy André Bjørnstad sy ny Ranabavy Yasmin de Andrade Montelo. Nampidirina tao amin’ilay fangatahana nalefa tany amin’ny fitsarana tamin’ny 28 Desambra 2022 ny tenin’izy roa. Nohazavain’ny Rahalahy Bjørnstad hoe mety hisy ho gaga hoe maninona no tian’izy sy ny fofombadiny raha Vavolombelon’i Jehovah no manoratra ny fanambadian-dry zareo. Hoy izy: “Tena zava-dehibe amin’ny olona iray ny zavatra inoany sy ny fivavahany. Rehefa tsy hajaina ireo, dia lasa hoatran’ny hoe tsy manana ny maha izy azy intsony izy.”
Tsy nety nanome vola fanampiana ny Vavolombelon’i Jehovah intsony ny fanjakana norvezianina talohan’ilay didy hoe hesorina tsy ho anisan’ny fivavahana ara-dalàna isika. Efa nandritra ny 30 taona mahery anefa ny fanjakana norvezianina no nanome vola antsika foana, sady tsy isika irery no nahazo an’ilay vola fa fivavahana 700 mahery hafa efa nekena hoe ara-dalàna. Nampakarin’ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny fitsarana àry ilay raharaha tamin’ny 21 Desambra 2022. Nangataka isika hoe tokony hovana ilay didim-panjakana hoe tsy homena vola intsony isika.
Tsy eken’ny fanjakana norvezianina ny hevitsika avy ao amin’ny Baiboly momba ny fandroahana sy ny zavatra ataontsika amin’ny olona voaroaka. Nilaza mihitsy aza ilay governora hoe tsy maintsy manova an’ireo isika Vavolombelon’i Jehovah raha tiantsika ny hekena ho ara-dalàna indray. Tsy mba nangataka ny hevitry ny manam-pahaizana akory ny fanjakana tamin’izany rehetra izany. Tsy hoe nisy didy navoakan’ny fitsarana koa, ka hoe tokony hahatonga an-dry zareo hanapa-kevitra hoe tsy ara-dalàna intsony ny fivavahantsika.
Marina fa niteny ilay governora hoe mbola manana zo hanaraka ny fivavahantsika isika, na dia tsy hekena ho ara-dalàna intsony aza ilay izy. Efa nitranga anefa ny olana hoatran’io taloha, dia efa namoaka didy ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona tamin’izany hoe tsy mety raha tsy ekena ho ara-dalàna intsony ny Vavolombelon’i Jehovah, satria tsy manaja ny zon’izy ireo hanaraka an’izay fivavahana tiany izany. a
Hoy ny Rahalahy Jørgen Pedersen, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Skandinavia: “Efa 130 taona mahery izao ny Vavolombelon’i Jehovah any Norvezy no tsy voahelingelina mihitsy teo amin’ny resaka fivavahana fa nilamina tsara. Voahaja tsara ny zon’izy ireo sy ny fahalalahany satria arovan’ny Lalàm-panorenana Norvezianina sy ny Fifanarahana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona izany. Raha manome rariny azy ireo ny fitsarana norvezianina, dia ny olom-pirenena rehetra any Norvezy mihitsy no hahazo tombony amin’izany satria vao mainka ho voahaja ny zon-dry zareo sy ny fahalalahany.”
a Didim-pitsarana tamin’ilay raharaha hoe Vavolombelon’i Jehovah any Moscou sy ny Hafa miady amin’i Rosia sy ilay raharaha hoe Religionsgemeinschaft der Zeugen Jehovas sy ny Hafa miady amin’i Aotrisy.

