KOREA ATSIMO

Gadraina Noho ny Finoany: Korea Atsimo

Gadraina Noho ny Finoany: Korea Atsimo

Tamin’ny 26 Oktobra 2020 dia lasa afaka mifidy ny hanao fanompoana sivily ny olona mandà tsy hanao raharaha miaramila noho ny feon’ny fieritreretany, any Korea Atsimo. Sambany tany vao nisy an’izany. Nosokajin’ny manam-pahefana momba ny zon’olombelona hoe miendrika fanasaziana sy fanavakavahana anefa ilay fanompoana sivily, rehefa jerena ny halavany sy ny hamafiny. Maharitra telo taona ilay izy, izany hoe indroan’ny fotoana tokony hanaovana miaramila, ary mifanohitra amin’ny fenitra iraisam-pirenena izany. Ny halavan’ny fotoana anaovana fanompoana sivily mantsy tsy tokony hihoatra ny avo iray sy tapany heny amin’ny halavan’ny fotoana tokony hanaovana miaramila, araka ny fenitra iraisam-pirenena, raha tsy hoe angaha misy antony azo ekena sy marim-pototra. Nanda tsy handray anjara amin’ilay fandaharana momba ny fanompoana sivily ny lehilahy Vavolombelon’i Jehovah vitsivitsy any Korea Atsimo. Nisy tamin’izy ireo nametraka fitarainana tany amin’ny fitsarana. Nolavin’ny Fitsarana Momba ny Lalàm-panorenana any Korea Atsimo ny fitarainana rehetra, tamin’ny 30 Mey 2024. Mpitsara dimy tao amin’ilay fitsarana no niombon-kevitra tamin’izany fa ny efatra kosa tsy niombon-kevitra tamin’ilay izy. Nasongadin’ireo mpitsara vitsy an’isa ireo anefa hoe tena miendrika fanasaziana ilay fanompoana sivily. Izao no nosoratan’izy ireo tao amin’ny fanehoan-keviny: “Karazana fanasaziana ihany ny fanompoana sivily hoatr’izany, ary manitsakitsaka ny fahalalahan’ilay olona hanaraka ny feon’ny fieritreretany.”

I Woo-jin Byeon no lehilahy nogadraina voalohany any Korea Atsimo satria nanda tsy hanao fanompoana sivily. Manambady izy ary 29 taona. Nanapa-kevitra izy hoe handa amim-panajana tsy hanao fanompoana sivily. Nilaza izy hoe raha misy fanompoana sivily tsy miendrika fanasaziana dia vonona hanao an’izany izy. Nomelohin’ny fitsarana higadra herintaona sy tapany ihany anefa izy, tamin’ny 24 Jolay 2024.

Lehilahy Vavolombelona 14, hatramin’izao, no mandà tsy hanao fanompoana sivily, anisan’izany Atoa Byeon. Mbola miatrika fitsarana ny 11 amin’izy ireo. Mety hosazina sy hogadraina izy ireo, arakaraka ny didim-pitsarana hivoaka. Nanapa-kevitra hanao an’ilay fanompoana sivily ihany ny ankamaroan’ireo tsy mety manao miaramila, na dia miendrika fanasaziana aza ilay izy.

Zava-nitranga

  1. 24 Jolay 2024

    Voaheloka higadra herintaona sy tapany i Woo-jin Byeon satria tsy nety nanao fanompoana sivily.

  2. 10 Novambra 2022

    Nandefa taratasy tany amin’ny Sampan-draharaha Miandraikitra ny Fiantsoana ho Miaramila i Woo-jin Byeon, taorian’ny nahazoany fiantsoana ho miaramila, ary nilaza fa tsy hanao raharaha miaramila sy fanompoana sivily noho ny feon’ny fieritreretany.

  3. 26 Oktobra 2020

    Nanomboka nanao fandaharana ny fanjakan’i Korea Atsimo hoe asiana fanompoana sivily ho an’ny olona mandà tsy hanao raharaha miaramila noho ny feon’ny fieritreretana.

  4. 1 Novambra 2018

    Nanapa-kevitra ny Fitsarana Tampony any Korea Atsimo hoe tsy heloka bevava ny mandà tsy hanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretana. Sivy tamin’ny mpitsara tao no niombon-kevitra tamin’izany ary efatra no tsy niombon-kevitra tamin’izany.

  5. 28 Jona 2018

    Nambaran’ny Fitsarana Momba ny Lalàm-panorenana any Korea Atsimo hoe misy tsy mifanaraka amin’ny lalàm-panorenana ny Lalàna Momba ny Raharaha Miaramila, satria tsy manome fanompoana sivily hataon’ny olona mandà tsy hanao raharaha miaramila noho ny feon’ny fieritreretany ilay izy.

  6. 18 Oktobra 2016

    Namoaka didy ny fitsarana ambony any Gwangju hoe tsy meloka ny olona telo nanda tsy hanao raharaha miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Io no fitsarana voalohany namoaka didy hoatr’izany.

  7. 30 Aogositra 2011

    Nohamafisin’ny Fitsarana Momba ny Lalàm-panorenana indray ny lalàna manasazy ny olona mandà tsy hanao raharaha miaramila noho ny feon’ny fieritreretana.

  8. 26 Aogositra 2004

    Nohamafisin’ny Fitsarana Momba ny Lalàm-panorenana hoe mifanaraka amin’ny lalàm-panorenana ny lalàna manasazy ny olona mandà tsy hanao raharaha miaramila noho ny feon’ny fieritreretana.

  9. 1975

    Teren’ny fanjakana hanao miaramila daholo ny vatan-dehilahy rehetra.

  10. 1973

    Nanomboka nampijaly ny Vavolombelon’i Jehovah migadra ny fanjakana, ary nitohy hatramin’ny 1995 tany ho any izany.

  11. 1953

    Sambany no nisy Vavolombelon’i Jehovah nogadraina satria nanda tsy hanao raharaha miaramila noho ny feon’ny fieritreretany.