Gadraina Noho ny Finoany: Crimée
Tonga hatrany Crimée izao ny fanenjehana feno herisetra ataon’ny manam-pahefana rosianina amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Efa nandrara ny fikambanana ara-dalàna nampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fanjakana rosianina, nefa hita mihitsy hoe ny hamongotra tanteraka ny fivavahan’izy ireo no tanjony. Be dia be mihitsy ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah nanaovan’ny manam-pahefana bemidina manerana an’i Rosia, taorian’ilay fandrarana tamin’ny Aprily 2017. Vavolombelona be dia be no nosamborina sy nogadraina, vokatr’izany. Izany koa izao no atao amin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Crimée.
Tamin’ny 15 Novambra 2018 no nisy bemidina faobe voalohany tany Crimée. Polisy sy polisy manokana 200 teo ho eo no nanao bemidina tany amin’ny trano valo ipetrahan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Djankoy. Samy nisy Vavolombelon’i Jehovah vitsivitsy nivory tao amin’ireo trano ireo, mba hamaky sy hidinika ny Baiboly. Mpitandro filaminana 35, fara fahakeliny, no niditra an-keriny tao an-tranon’i Sergey Filatov. Nitam-piadiana sy nisaron-tava ry zareo. Vavolombelona enina no nivory tao, tamin’izay, ary nivarahontsana izy ireo rehefa niditra an-keriny ireo mpitandro filaminana ireo. Natosik’izy ireo teo amin’ny rindrina ny lehilahy iray 78 taona, nazerany tamin’ny tany, nofatorany ny tanany, ary nokapohin’izy ireo mafy loatra izy ka tsy maintsy nampidirina hopitaly teo no ho eo. Nisy lehilahy be taona roa hafa koa tonga dia nampidirina hopitaly satria niakatra be ny tosidran’izy ireo. Mampalahelo fa nisy vehivavy iray koa afa-jaza rehefa nanao bemidina tao an-tranony ny manam-pahefana.
Nampangaina ho mpanao heloka bevava i Sergey taorian’izay, ary nolazaina fa nandika ny Andininy faha-282.2(1) amin’ny Lalàna Momba ny Heloka Bevava any Rosia satria hoe mikarakara ny asan’ny “fikambanana mampidi-doza.” Nanameloka an’i Sergey higadra enin-taona ny fitsaram-paritra ao Crimée, tamin’ny 5 Martsa 2020. Nentina tany am-ponja avy hatrany izy taorian’ny nanamelohana azy.
Mbola manohy miditra an-keriny any an-tranon’ireo Vavolombelona ahiahina hoe manao zavatra mampidi-doza foana ny polisy, taorian’ilay bemidina tany Djankoy tamin’ny 2018. Tamin’ny 7 Aogositra 2024 ny bemidina farany nataon-dry zareo. Nisy mpitandro filaminana maromaro nisaron-tava sy nitam-piadiana, tamin’izay, nanao savahao ny trano dimy an’ny Vavolombelon’i Jehovah. Anisan’ny nataon-dry zareo savahao ny tranon’i Tamara Brattseva, 68 taona, ao amin’ny tanàna kelin’i Razdolnoye. Miakatra fitsarana izao i Tamara, satria nampangaina hoe mandamina ny asan’ny fikambanana mampidi-doza. Samy nomelohina higadra enin-taona koa i Yuriy Gerashchenko sy Sergey Parfenovich, tamin’ny Oktobra 2024. Efa nomena sazy mihantona ireo lehilahy Vavolombelona roa ireo talohan’izay. Tsy nanaiky mihitsy anefa ilay mpampanoa lalàna raha tsy nomena sazy henjana kokoa izy roa lahy, ary dia nanaiky ilay fitsarana. Teo no ho eo ihany izy roa lahy dia nosamborina tao amin’ilay fitsarana ary nentina tany am-ponja.
Vokatr’ireny bemidina ireny sy ny fanamelohana taorian’izay, dia lehilahy Vavolombelona 14 izao no voasazy higadra hatramin’ny enin-taona sy tapany. Samy nampangaina ho nanohana fikambanana mampidi-doza ry zareo.
Zava-nitranga
17 Jona 2025
Vavolombelon’i Jehovah 14 avy any Crimée izao no migadra.
3 Oktobra 2024
Meloka higadra enin-taona i Yuriy Gerashchenko sy Sergey Parfenovich.
7 Aogositra 2024
Nanao bemidina tany amin’ny trano dimy an’ny Vavolombelon’i Jehovah any Alushta sy Razdolnoye ary Senokosnoye ny mpitandro filaminana. Ampangaina ho mpanao heloka bevava i Tamara Brattseva.
5 Aogositra 2021
Trano valo an’ny Vavolombelon’i Jehovah no natao savahao. Nosamborina i Aleksandr Dubovenko sy Aleksandr Litvinyuk.
1 Oktobra 2020
Trano sivy no nanaovana bemidina tany Sébastopol. Nosamborina sy notanana am-ponja vonjimaika i Igor Shmidt.
4 Jona 2019
Nanaovan’ny polisy manokana bemidina ny trano folo any Sébastopol. Nampangaina hoe mikarakara ny asan’ny fikambanana mampidi-doza i Viktor Stashevskiy taorian’izay.
20 Martsa 2019
Nanao bemidina tany amin’ny trano valo any Alupka sy Yalta ny polisy manokana. Nalaina am-bavany i Artem Gerasimov ary avy eo nampangaina hoe mandamina ny asan’ny fikambanana mampidi-doza.
15 Novambra 2018
Polisy sy polisy manokana 200 mahery no nanao bemidina tao amin’ny trano valo any Djankoy, ipetrahan’ny Vavolombelon’i Jehovah, anisan’izany ny tranon’i Sergey Filatov.