Malagasy
Navelan’ny Filan-kevitra Ambony Indrindra ao Amin’ny Fitsarana Eoropeanina Hifidy Izay Fitsaboana Tiany ny Vavolombelon’i Jehovah
https://cms-imgp.jw-cdn.org/img/p/702024225/univ/art/702024225_univ_sqr_xl.jpg

Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona, any Strasbourg, any Frantsa

11 OKTOBRA 2024
ESPAINA

Navelan’ny Filan-kevitra Ambony Indrindra ao Amin’ny Fitsarana Eoropeanina Hifidy Izay Fitsaboana Tiany ny Vavolombelon’i Jehovah

Niray Hevitra ny Mpitsara Rehetra Tamin’ilay Raharaha Pindo Mulla miady amin’i Espaina

Navelan’ny Filan-kevitra Ambony Indrindra ao Amin’ny Fitsarana Eoropeanina Hifidy Izay Fitsaboana Tiany ny Vavolombelon’i Jehovah

Niara-nanaiky ny Filan-kevitra Ambony Indrindra ao amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona, tamin’ny 17 Septambra 2024, fa tokony hohajaina ny zon’ny marary hifidy an’izay fitsaboana mety amin’ny finoany. Miavaka io didy io, ary tsy i Espaina irery izao no lasa tsy maintsy manaja ny zon’ny marary hifidy fitsaboana, fa ireo firenena 46 anisan’ny Filan-kevitra Eoropeanina koa.

Rosa Pindo Mulla sy Armando vadiny

Niditra hopitaly tao Madrid, any Espaina, ny Anabavy Rosa Pindo Mulla, tamin’ny Jona 2018. Vao 47 taona izy tamin’izany, ary tsy nilana fandidiana lehibe ny aretiny. Nomen’i Rosa an’ireo dokotera ny Fanomezan-dalana Momba ny Fitsaboana azy, talohan’ny nikarakarana ny fahasalamany. Nohazavainy fa tsy hanaiky hampidiran-dra izy, satria tsy mifanaraka amin’ny finoany izany sady tsy eken’ny feon’ny fieritreretany efa nampiofanin’ny Baiboly. (Asan’ny Apostoly 15:28, 29) Nampidirin’ny mpiasan’ny hopitaly tao amin’ny antontan-taratasy momba an’i Rosa ilay toromarika. Nisy mpitsara iray anefa nanome alalana an-tsokosoko an’ireo dokotera, mba hanao fandidiana lehibe amin’i Rosa sady hampiditra ra aminy. Nalahelo be mihitsy i Rosa taorian’ilay fandidiana rehefa nahalala hoe tsy nisy niraharaha ny teniny fa mbola nampidiran-dra ihany izy, na dia efa nilaza mazava tsara aza izy hoe tsy mety aminy izany.

Rehefa namoaka didy momba an’ilay raharaha Pindo Mulla miady amin’i Espaina ireo mpitsara 17 ao amin’ny Filan-kevitra Ambony Indrindra, dia samy nanaiky hoe “manana zo handa” an’izay fitsaboana tsy mety aminy “ny olon-dehibe salama saina tsara.” Nanamafy koa ry zareo fa “anisan’ny fitsipika lehibe indrindra eo amin’ny sehatry ny fitsaboana ilay hoe manaja ny zon’ny marary hanaiky na handa fitsaboana.”

Fianakaviana iray ihany isika rehetra eran-tany, dia mahafaly antsika iny didy navoakan’ny fitsarana iny. Voaro mantsy izao ny zon’ny Anabavy Pindo Mulla sy ny olon-kafa an-tapitrisany, ka afaka mifidy izay fitsaboana mety amin’ny finoany ry zareo.