ÉRYTHRÉE

Gadraina Noho ny Finoany: Érythrée

Gadraina Noho ny Finoany: Érythrée

Efa an-taonany maro ny Vavolombelon’i Jehovah any Érythrée no samborina sy gadraina nefa tsy mandalo fitsarana akory sady tsy misy fiampangana ara-dalàna. Ao ny vehivavy, ary ao ny be taona. Namoaka didim-pitondrana ny Filoha Afwerki, tamin’ny 25 Oktobra 1994, hoe esorina amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny zom-pirenen’izy ireo. Tsy nifidy mantsy izy ireo rehefa nisy fitsapan-kevi-bahoaka natao tamin’ny 1993 mba hitakiana ny fahaleovan-tena. Tsy nety nanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany koa izy ireo. Nametraka fanompoana sivily ny manam-pahefana tany Érythrée, tamin’ny mbola tsy noterena hanao miaramila ny olona. Betsaka ny Vavolombelona nandray anjara tamin’izany, tany amin’ny biraom-panjakana samihafa. Omen’ny manam-pahefana taratasy fanamarinana foana izy ireo isaky ny avy nahavita fanompoana sivily, ary matetika no noderaina satria niasa tsara. Taorian’ilay didim-pitondrana navoakan’ny filoha anefa, dia nanagadra sy nampijaly ary nanenjika ny Vavolombelon’i Jehovah ny mpitandro filaminana, mba hanerena azy ireo hiala amin’ny finoany.

Vavolombelon’i Jehovah 65 izao no any am-pigadrana (lehilahy ny 38 ary vehivavy ny 27). Niakatra be io isa io, tamin’ny Septambra 2024. Niditra an-keriny tao amin’ny trano iray nanaovana fotoam-pivavahana ny polisy tamin’izay, ary nisambotra olona 24. Nisy ankizy roa tsy ampy taona nafahana taorian’izay. Andro vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nisy vehivavy Vavolombelona 85 taona koa voasambotra. Nafindra tao amin’ny Fonjan’i Mai Serwa ireo Vavolombelona 23. Tamin’ny 7 Desambra 2024, dia nafahana i Saron Ghebru, iray amin’ireo Vavolombelona ireo, izay bevohoka an’ilay zanany voalohany ary efa niandriandry ny hahaterahany. Nafahana koa i Mizan Gebreyesus, 82 taona, tamin’ny 15 Janoary 2025.

Mbola nikendry ny Vavolombelona ihany ny polisy, tamin’ny 1 Novambra 2024, fa tanora Vavolombelona efatra, 16 hatramin’ny 18 taona, indray no nosamborin’izy ireo. Natao famotorana ry zareo dia avy eo tonga dia nalefa tao amin’ny Fonjan’i Mai Serwa. Nalain’ny polisy tany am-pianarany koa ny zanakavavin’i Almaz Gebrehiwot, tamin’ny 22 Novambra, ary nentiny tany amin’ny paositry ny polisy. Rehefa tonga haka ny zanany tany i Almaz, dia izy indray no notazonin’ny polisy fa nafahany ny zanany. Mbola any amin’ny paositry ny polisy any Asmara izao i Almaz.

Faly isika fa nisy vehivavy roa nafahana vao haingana. Nafahana avy tao amin’ny Fonjan’i Mai Serwa i Mikal Taddesse, tamin’ny 25 Febroary 2025. Nafahana avy tao amin’ny Fonjan’i Adi Abeto koa i Berekti Gebretatyos, tamin’ny 12 Martsa 2025.

Mafy be ny fiainana any am-ponja

Mafy be ny fiainan’ny Vavolombelon’i Jehovah migadra any Mai Serwa sy any amin’ny fonja hafa. Gadra be dia be no mifanizina any amin’ny efitra figadrana, ka tsy ahafahana matory mitsotra akory ao fa tsy maintsy mifanetinety kely mihorirana izy rehetra. Tsy misy kabine koa ny fonja. Amin’ny ora voafaritra ihany ny voafonja no mahazo mivoaka, indroa isan’andro, na lahy na vavy, sady jeren’ny miaramila. Tsizarizary ny sakafo sy rano ary ny fitsaboana.

Izany rehetra izany no nitarika ny fahafatesan’ny Vavolombelon’i Jehovah efatra nigadra tany Érythrée. Vavolombelona be taona telo koa no maty taoriana kelin’ny nanafahana azy. Nijaly loatra mantsy izy ireo tany am-pigadrana.

  • Vavolombelona roa no maty tamin’ny 2011 sy 2012, satria nijaly loatra izy ireo tao amin’ny Fonjan’i Mitire. Maty tamin’ny Jolay 2011 i Misghina Gebretinsae, 62 taona, satria nafana loatra tao amin’ilay toerana fanasaziana “ambanin’ny tany” nisy azy. Mitovy amin’izany koa ny nitranga tamin’i Yohannes Haile, 68 taona. Maty izy tamin’ny 16 Aogositra 2012, rehefa avy nigadra efa-taona latsaka kely.

  • Ankoatra izany, dia Vavolombelon’i Jehovah be taona telo no maty taoriana kelin’ny nanafahana azy ireo, satria nijaly loatra izy ireo tany amin’ny Fonjan’i Mitire. Ireto avy izany: Kahsai Mekonnen, Goitom Gebrekristos, ary Tsehaye Tesfamariam.

  • Vavolombelona roa no maty tamin’ny 2018 rehefa avy nafindra tao amin’ny Fonjan’i Mai Serwa. I Habtemichael Tesfamariam ny iray. Maty tamin’ny 3 Janoary izy, teo amin’ny faha-76 taonany. Maty koa avy eo i Habtemichael Mekonnen tamin’ny 6 Martsa, teo amin’ny faha-77 taonany. Nogadraina tamin’ny 2008 izy roa lahy ireo, nefa tsy nisy fiampangana natao tamin’izy ireo akory.

Migadra mandritra ny fotoana tsy voafaritra

Tsy voafaritra ny fotoana igadran’ny ankamaroan’ny lehilahy Vavolombelon’i Jehovah any ka tsy manantena ny hafahana izy ireo raha tsy hoe maty na efa ho faty. Mitovy amin’ny hoe voaheloka mandra-pahafatiny izy ireo rehefa migadra, satria tsy misy mahomby izay dingana ara-dalàna atao mba hanampiana azy ireo.

Zava-nitranga

  1. 17 Jona 2025

    Nisy 65 ny fitambaran’ny Vavolombelon’i Jehovah nogadraina.

  2. 22 Novambra 2024

    Nogadraina i Almaz Gebrehiwot satria tsy nety niditra tamin’ny antoko politika.

  3. 1 Novambra 2024

    Mpianatra Vavolombelona efatra no nosamborina sy nafindra tao amin’ny Fonjan’i Mai Serwa.

  4. 27 Septambra 2024

    Vavolombelona 23 no nosamborina sy nafindra tao amin’ny Fonjan’i Mai Serwa. Nisy roa nafahana avy eo.

  5. 1 Febroary 2021

    Vavolombelona telo no nafahana.

  6. 29 Janoary 2021

    Vavolombelona iray no nafahana.

  7. 4 Desambra 2020

    Vavolombelona 28 no nafahana.

  8. 6 Martsa 2018

    Maty i Habtemichael Mekonnen, 77 taona, rehefa nafindra tao amin’ny Fonjan’i Mai Serwa.

  9. 3 Janoary 2018

    Maty i Habtemichael Tesfamariam, 76 taona, rehefa nafindra tao amin’ny Fonjan’i Mai Serwa.

  10. Jolay 2017

    Nafindra tany amin’ny Fonjan’i Mai Serwa, any ivelan’i Asmara, ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra tao amin’ny Fonjan’i Mitire.

  11. 25 Jolay 2014

    Nafahana ny ankamaroan’ireo nosamborina tamin’ny 14 Aprily. Mbola any am-ponja kosa ny 20 tamin’ireo voasambotra tamin’ny 27 Aprily.

  12. 27 Aprily 2014

    Vavolombelona 31 no voasambotra nandritra ny fianarana Baiboly nataon’izy ireo.

  13. 14 Aprily 2014

    Vavolombelona 90 mahery no voasambotra nandritra ny fankalazana ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy.

  14. 16 Aogositra 2012

    Maty i Yohannes Haile, 68 taona, satria mafy be ny zavatra niainany tany am-ponja.

  15. Jolay 2011

    Maty i Misghina Gebretinsae, 62 taona, satria mafy be ny zavatra niainany tany am-ponja.

  16. 28 Jona 2009

    Nanao bemidina tany an-tranon’ny Vavolombelona iray ny manam-pahefana nandritra ny fotoam-pivavahana natao tao. Nosamborin’izy ireo daholo ireo Vavolombelona 23 tao, izay teo anelanelan’ny 2 ka hatramin’ny 80 taona.

  17. 28 Aprily 2009

    Nafindra tany amin’ny Fonjan’i Mitire ireo Vavolombelon’i Jehovah rehetra notazonina tao amin’ny paositry ny polisy. Iray ihany no tsy nafindra.

  18. 8 Jolay 2008

    Nanomboka nanao bemidina tany an-tranon’olona sy tany amin’ny toeram-piasana ny manam-pahefana, ary nisambotra Vavolombelona 24. Mamelona fianakaviana ny ankamaroan’ireo voasambotra.

  19. Mey 2002

    Nakaton’ny fanjakana ny antokom-pivavahana rehetra tsy anisan’ireo fivavahana efatra ekeny ho ara-dalàna.

  20. 25 Oktobra 1994

    Nivoaka ny didim-pitondrana hoe esorina amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny zom-pirenen’izy ireo sy ny zo fototra hafa ananany.

  21. 17 Septambra 1994

    Nogadraina i Paulos Eyassu sy Isaac Mogos ary Negede Teklemariam nefa tsy notsaraina sady tsy nisy zavatra niampangana azy.

  22. 1950-1960

    Nanomboka nisy Vavolombelon’i Jehovah tany Érythrée.