Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

21 JANOARY 2019
INONA NY VAOVAO?

Nivoaka Tamin’ny Teny Tagalog ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Nivoaka Tamin’ny Teny Tagalog ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Nivoaka tamin’ny teny tagalog Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nohavaozina, tamin’ny 20 Janoary 2019, tany Quezon City, any Philippines. Efa misy amin’ny fiteny 19 izao io Baiboly nohavaozina io, ary ilay dikan-teny anglisy nivoaka tamin’ny 2013 no nampiasaina rehefa nandika azy. Raha atambatra, dia efa voadika amin’ny fiteny 179 ny Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao manontolo na ny ampahany aminy.