Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

14 JANOARY 2019
INONA NY VAOVAO?

Nivoaka Tamin’ny Fiteny Dimy Indray ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Nivoaka Tamin’ny Fiteny Dimy Indray ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Nivoaka tamin’ny teny isoko Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Nivoaka tamin’ny teny yorobà koa ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nohavaozina. Tamin’ny 12 Janoary 2019 no namoahana azy ireo tany Benin City, any Nizeria. Tamin’io andro io koa no navoaka tamin’ny Tenin’ny Tanana Anglisy tany Midlands Andrefana, any Angletera, ny bokin’i Matio ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

Navoaka tamin’ny fiteny anankiroa hafa koa ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, tany Philippines. Tamin’ny 12 Janoary 2019 no navoaka tamin’ny teny cebuano tany Lapu-Lapu, any Cebu, ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nohavaozina. Ny ampitson’io indray, nivoaka tamin’ny teny waray-waray ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, tany Palo, any Leyte. Efa misy amin’ny fiteny 18 izao io Baiboly nohavaozina io, ary ilay dikan-teny anglisy nivoaka tamin’ny 2013 no nampiasaina rehefa nandika azy. Raha atambatra, dia efa voadika amin’ny fiteny 179 ny Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao manontolo na ny ampahany aminy.