Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

26 NOVAMBRA 2018
INONA NY VAOVAO?

Nivoaka Tamin’ny Fiteny Failandey sy Litoanianina ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Nivoaka Tamin’ny Fiteny Failandey sy Litoanianina ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Voadika tamin’ny fiteny litoanianina Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Nohavaozina koa ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny fiteny failandey. Tamin’ny 24 Novambra 2018 izy ireo no nivoaka, tany Hämeenlinna, any Failandy. Efa misy amin’ny fiteny 16 izao io Baiboly nohavaozina io, ary ilay dikan-teny anglisy nivoaka tamin’ny 2013 no nampiasaina rehefa nandika azy. Raha atambatra, dia efa voadika amin’ny fiteny 175 ny Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao manontolo na ny ampahany.