Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

12 OKTOBRA 2017
INONA NY VAOVAO?

Niova Ilay Fizarana hoe “Fampianaran’ny Baiboly”

Niova Ilay Fizarana hoe “Fampianaran’ny Baiboly”

Novana endrika ilay fizarana hoe “Fampianaran’ny Baiboly” ato amin’ny jw.org mba ho mora kokoa ny mijery ny loha hevitra ao anatiny. Ireto ny sasany amin’izany fiovana izany:

  • Vaovao ilay hoe “Tantara sy Baiboly” ary aseho ao ny fomba niarovana ny Baiboly, nandikana azy, ary ny fielezany. Hita ao koa hoe voaporofon’ny zava-baovao hitan’ny mpikaroka fa marina ny tantara ao amin’ny Baiboly.

  • Vaovao ilay hoe “Fiadanan-tsaina sy Fahasambarana”, ary hazavaina ao hoe inona ny torohevitry ny Baiboly hanampy anao hiatrika ny fiainana isan’andro sy ho sambatra ary hilamin-tsaina na dia misy olana maro aza.

  • Vaovao ilay hoe “Siansa sy Baiboly” ary aseho ao hoe mifanaraka amin’ny siansa ny Baiboly rehefa jerena ny zavaboary.

  • Novana endrika ilay hoe “Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly” mba ho mora tadiavina ny fanontaniana momba ny foto-kevitra iray.

  • Nosoloana hoe “Tokantrano sy Fitaizana” ilay hoe “Ho An’ny Mpivady sy ny Ray Aman-dreny.” Misy torohevitry ny Baiboly ao, ary manampy ny mpivady hifandray tsara kokoa sy hahay hitaiza.