Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

17 SEPTAMBRA 2018
INONA NY VAOVAO?

Nivoaka Tamin’ny Fiteny Efatra Indray ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Nivoaka Tamin’ny Fiteny Efatra Indray ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Nivoaka tamin’ny teny Kikamba, tany Machakos, any Kenya, ny Baiboly Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Nivoaka tamin’ny teny Nyaneka koa izy io, tany Lubango, Angola. Tamin’ny 14 Septambra 2018 no namoahana azy ireo. Nivoaka tamin’ny teny Kikuyu koa ny Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao manontolo, tamin’io andro io ihany, tany Kiambu, any Kenya. Roa andro taorian’izay, dia nivoaka tamin’ny teny Iloko, tany Manille, any Philippines, koa ny Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nohavaozina. Efa misy amin’ny fiteny 15 izao io Baiboly nohavaozina io, ary ilay dikan-teny anglisy nivoaka tamin’ny 2013 no nampiasaina rehefa nandika azy. Raha atambatra, dia efa voadika amin’ny fiteny 172 ny Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao manontolo na ny ampahany aminy.