Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

Faneken’ny Vavolombelon’i Jehovah fa Tsy Hamoaka ny Fanazavana Omenao

Faneken’ny Vavolombelon’i Jehovah fa Tsy Hamoaka ny Fanazavana Omenao

Eken’ny fikambanana ara-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany (“fikambanana ara-pivavahana”) fa zon’ny olona ny hanana ny fiainany manokana sy ny hoe tsy tokony haparitaka ny fanazavana omeny momba ny tenany. Miaiky io fikambanana ara-pivavahana io fa ilaina ny mifampiresaka tsy an-kifonofono. Ilainy koa ny manangona ny mombamomba ny olona iray, anisan’izany ny tsiambaratelo sasany. Manao an’izany izy mba hanomezana an’izay ilain’ny Vavolombelon’i Jehovah sy hanaovana asa soa sy asa ara-pivavahana. Miaiky koa anefa izy fa ilaina ny mitana tsiambaratelo sy miaro ny fanazavana voarainy. (Ohabolana 15:22; 25:9) Tena zava-dehibe amin’io fikambanana ara-pivavahana io ny mitana tsiambaratelo.—Ohabolana 20:19.

Firenena maro no namoaka lalàna momba ny fiarovana fanazavana mba hanajana ny zon’ny olona hanana ny fiainany manokana. Mbola tsy nisy akory anefa ireny lalàna ireny dia efa nanaja ny zon’ny olona hanana ny fiainany manokana sy efa nitana tsiambaratelo io fikambanana ara-pivavahana io, tafiditra amin’izany ny biraon’ny sampany. Tsy hanaparitaka ny fanazavana voarainy mihitsy àry izy, araka ny efa fanaony hatramin’izay.

Fiarovana fanazavana. Ireto toro lalana ireto no arahin’io fikambanana ara-pivavahana io rehefa voarainy ny mombamomba ny olona iray:

  1. Hokarakaraina amin’ny fomba mety sy ara-dalàna izy ireny.

  2. Rehefa voarain’ilay fikambanana ara-pivavahana ny mombamomba ny olona iray, dia ampiasainy amin’ny asa soa sy asa ara-pivavahana ataony ihany.

  3. Izay fanazavana farany sy marina tsara momba an’ilay olona no hotehiriziny. Tonga dia hahitsiny izay fanazavana diso, raha vao fantany.

  4. Tehirizin’ilay fikambanana ara-pivavahana ny fanazavana momba an’ilay olona mandra-pahatratra ny tanjona kendreny.

  5. Hohajaina araka ny tokony ho izy ny zon’ny olona manome ny mombamomba azy.

  6. Misy fepetra raisina hiarovana ny mombamomba ny olona, amin’izay dia tsy ho afaka hanaparitaka an’izany ny olona tsy nahazo alalana na tsy manara-dalàna. Misy tenimiafina ny ordinatera rehetra itehirizana ny mombamomba ny olona tsirairay, ka izay nahazo alalana ihany no tafiditra amin’ireny ordinatera ireny. Mihidy lakile koa ny birao misy an’ireo ordinatera ireo aorian’ny ora fiasana, ka izay mahazo alalana ihany no afaka miditra ao.

  7. Tsy hafindra any amin’ny sampana hafa ny mombamomba ny olona iray, raha tsy hoe mila manao an’izany ilay fikambanana ara-pivavahana mba hanaovany asa soa sy asa ara-pivavahana. Manaiky an’izany ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra rehefa nanaiky ho lasa Vavolombelon’i Jehovah.

Mifanaraka tsara amin’izay voalaza ao amin’ny boky Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah, izay omena ny mpitory Vavolombelon’i Jehovah, ireo toro lalana momba ny fiarovana fanazavana ireo. Jereo ny boky Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah raha mila fanazavana fanampiny ianao.

Zon’ny tsirairay ny miaro sy manitsy ary manafoana an’izay fanazavana momba azy, anisan’izany ny tsiambaratelo sasany. Afaka manao an’izany izy, araka ny voalaza ao amin’ny Fifanekena Momba ny Fampiasana ny Mombamomba Anao, eo ambanin’ilay hoe Ny Zonao. Efa manaraka an’izay voalaza ao foana ny Vavolombelon’i Jehovah.

Ity Faneken’ny Vavolombelon’i Jehovah fa Tsy Hamoaka ny Fanazavana Omenao ity no arahin’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany rehefa mikarakara ny fanazavana voarainy momba ny olona.