Fanazavana ho An’ny Mpitsabo

Matetika ireo boky momba ny fitsaboana no manao tatitra hoe vitan’ny dokotera izao ny mitsabo na manao fandidiana sarotra nefa tsy misy fampidiran-dra, na ra manontolo izany, na taharo fototry ny ra. Misy teknika ampiasaina mba tsy ho betsaka ny ra very, ary mba ho ny ran’ilay marary ihany no hampiasaina. Azo atao koa ny manao izay hahatonga ny vatan’ilay marary hamokatra ra bebe kokoa sy hahazaka kokoa ny tsy fahampian’ny ra. Misy fanazavana avy amin’ny gazety ara-pitsaboana malaza ato, manaporofo hoe mety tsara ny fitsaboana na dia ny ran’ilay marary ihany aza no ampiasaina, ary mandaitra ny teknika atao solon’ny fampidiran-dra.

 

Contact Us