Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

WATCHTOWER LIBRARY

Hanavao Watchtower Library

Hanavao Watchtower Library

Azonao asaina mijery fanavaozana any amin’ny Internet ny Watchtower Library ary mampiditra ho azy an’ireny fanavaozana ireny. Azo atao koa anefa hoe ianao mihitsy no maka ny rakitra misy ny fanavaozana ny boky sy lahatsoratra ao amin’ny Watchtower Library.

Atao mandeha ho azy ny fanavaozana

Araho ireto dingana manaraka ireto raha tianao haka fanavaozana avy hatrany any amin’ny Internet ny Watchtower Library, isaky ny misy fanavaozana boky sy lahatsoratra:

  1. Tsindrio ilay hoe Fiasana ao amin’ny Watchtower Library, ary avy eo tsindrio ny Firafitra.

  2. Rehefa misokatra ilay firafitra dia sokafy ilay hoe Fanavaozana. Asio marika avy eo ilay hoe Ampidiro avy hatrany ny fanavaozana.

  3. Hahazo hafatra ianao isaky ny misy fanavaozana ao amin’ny Internet. Hanontaniana ianao raha te hampiditra an’ilay izy, ary tsindrio ny Oui na Yes dia hampidirin’ny Watchtower Library ilay fanavaozana.

Haka ny rakitra fanavaozana ny Watchtower Library

Azonao atao koa ny manavao ny Watchtower Library amin’ny alalan’ny rakitra fanavaozana. Alaivo any amin’ny Watchtower Library hafa efa misy fanavaozana ilay rakitra fanavaozana farany, na alaivo eo amin’ilay hoe Haka, etsy ambany.

Haka rakitra fanavaozana amin’ny Watchtower Library hafa

Araho ireto dingana ireto raha te hamorona rakitra fanavaozana ianao:

  1. Tsindrio ny Fanampiana ao amin’ny Watchtower Library, avy eo ny Fanavaozana Azo Ampidirina, ary fidio ilay hoe Hamorona Rakitra.

  2. Mifidiana toerana hametrahana an’ilay rakitra fanavaozana mba hotadidin’ilay ordinatera. Hamorona rakitra fanavaozana ao ny Watchtower Library ka hifarana amin’ny hoe “.updatepkg” ny anarany.

Haka rakitra fanavaozana

Tsindrio ilay hoe Haka eto ambany mba hahitana raha misy fanavaozana ny Watchtower Library amin’ny fiteninao. Alaivo avy eo ilay rakitra raha misy amin’ny fiteninao.

Hampiasa an’ilay rakitra fanavaozana

Araho ireto dingana ireto raha te hanavao ny Watchtower Library amin’ny alalan’ny rakitra fanavaozana ianao:

  1. Tsindrio ny Fanampiana ao amin’ny Watchtower Library, avy eo ny Fanavaozana Azo Ampidirina, avy eo ny Hampiditra.

  2. Mankanesa any amin’ny toerana misy an’ilay rakitra, izay mifarana amin’ny hoe “.updatepkg” ny anarany. Fidio ilay rakitra ary tsindrio avy eo ny Ouvrir na Open, dia ho tafiditra ao amin’ny Watchtower Library ilay fanavaozana.