Malagasy
Fanontaniana Fametraky ny Olona: Watchtower Library
https://cms-imgp.jw-cdn.org/img/p/802013318/univ/art/802013318_univ_sqr_xl.jpg

WATCHTOWER LIBRARY

Fanontaniana Fametraky ny Olona: Watchtower Library

Fanontaniana Fametraky ny Olona: Watchtower Library

Mila Microsoft Windows 10 na ambonin’izay ny ordinateranao, izay vao mahazaka Watchtower Library. Raha ARM ny processeur amin’ny ordinateranao, dia tokony ho Windows 11.

Tsy maintsy ampiakarina indraindray ny fepetra takina amin’ny fampiasana an’ilay programa, raha tiana handeha tsara ilay izy mba ho voaro sy ho azo antoka foana ny Watchtower Library. Mampirisika anao àry izahay mba hanao fanavaozana (mise à jour) ny fitaovana ampiasainao, mba hahatonga azy hanana ny rafitra fikirakirana farany indrindra. Raha tsy azo havaozina intsony ny fitaovanao dia mety tsy handeha ilay programa.

 

Araho ireto toromarika manaraka ireto raha efa nanandrana imbetsaka ianao nefa tsy mety havaozina ny Watchtower Library ampiasainao:

  1. Mandehana ao amin’ilay pejy hoe Hanavao Watchtower Library ao amin’ny jw.org.

  2. Alaivo ny rakitra fanavaozana ny Watchtower Library amin’ny fiteninao.

  3. Araho ny toromarika eo ambanin’ilay lohatenikely hoe “Hampiasa an’ilay rakitra fanavaozana.”

Raha mbola tsy mety ihany izany, dia izao indray atao:

  1. Sokafy ao amin’ny fitaovana ampiasainao ny rakitra ao amin’ny “C:\ProgramData\Watchtower\WTLibrary.”

  2. Fafao ireto avy eo:

    • a. ca-bundle.zip

    • b. cert.pem

Miresaha amin’ny namanao efa zatra mampiasa Watchtower Library raha sarotra aminao ny manao an’ireo, na mifandraisa amin’ny biraon’ny sampanay akaiky anao indrindra.

 

Mety ho afaka hanampy anao ny namanao efa zatra mampiasa Watchtower Library. Raha tsy izany dia mifandraisa amin’ny biraon’ny sampanay akaiky anao indrindra.