Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

JW BROADCASTING

Hihaino Raki-peo ao Amin’ny TV.JW.ORG

Hihaino Raki-peo ao Amin’ny TV.JW.ORG

Misy raki-peo isan-karazany ao amin’ilay hoe Raki-peo. Mihainoa iray na izy rehetra ao amin’izy io.

Tsindrio ilay hoe Raki-peo raha te hijery izay misy ao. Araho ireto toromarika ireto raha te hitady na hihaino raki-peo ianao:

 Hihaino raki-peo iray na sokajina raki-peo iray

Mizara ho sokajy maromaro ireo raki-peo ary ho hitanao eo ambanin’ny anaran’ireo sokajy izay raki-peo ao anatiny. Akisaho midina ny efijery raha te hijery ny sokajy rehetra misy ianao.

Ordinatera na “tablette”: Tsindrio ilay filesy havia na havanana, raha te hijery ny raki-peo ao amin’ny sokajy iray ianao.

Smartphone: Ny raki-peo voalohany ao amin’ny sokajy iray no asehony. Raha te hijery raki-peo maro kokoa ianao, dia tsindrio ilay hoe Hijery Hafa.

Tsindrio ny sarin’ilay raki-peo na ny lohateniny raha tianao hohenoina ilay izy. Hiseho eo an-tampon’ny efijery avy eo ilay sary sy ny lohateniny.

Tsindrio ny hoe Handefa raha te hihaino an’ilay raki-peo ianao. (Fanamarihana: Mila manindry an’ilay sary kely mampiseho hoe Handefa ihany koa ianao rehefa misokatra ilay mpamaky raki-peo raha iOS na Android no ampiasainao.)

  • Soso-kevitra: Mba tsy hanokafana an’ireo raki-peo tsirairay, dia azonao tsindriana ilay hoe Handefa Azy Rehetra mba handefasana ny raki-peo rehetra iray sokajy.

  • Tsindrio ilay hoe Tsy Milahatra raha tianao hohenoina daholo ireo raki-peo iray sokajy fa tsy milahatra.

    Fanamarihana: Rehefa tapitra mandeha daholo ny raki-peo iray sokajy dia mijanona ho azy izy io.

 Hanova ny fihainoana raki-peo

  • Tsindrio ny Hampiato raha tianao hiato ilay raki-peo.

  • Tsindrio ny Handefa raha te hihaino ny tohin’ilay raki-peo ianao.

  • Azo akisaka mankeo aloha na mankeo aoriana ny bokotr’ilay raki-peo, arakaraka izay tianao hohenoina.

  • Rehefa manao an’ilay hoe Handefa Azy Rehetra na Tsy Milahatra, dia azo tsindriana ny hiverina raha te handefa ny raki-peo teo aloha ianao.

  • Rehefa manao an’ilay hoe Handefa Azy Rehetra na Tsy Milahatra, dia azo tsindriana ny Manaraka raha te handefa ny raki-peo manaraka ianao.

  • Raha te hanova ny hamafin’ny feo ianao, dia ampiasao ny bokotra fanaovana an’izany eo amin’ilay fitaovana entin-tanana ampiasainao na ny ordinateranao.