Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

JW BROADCASTING

Hijery Tele Mivantana ao Amin’ny TV.JW.ORG

Hijery Tele Mivantana ao Amin’ny TV.JW.ORG

Hoatran’ny mijery tele ianao rehefa ao amin’ilay fizarana hoe Mivantana ao amin’ny tv.jw.org, satria misy tele maromaro samy manana ny fandaharany ao. Fidio fotsiny ny tele iray raha te hijery an’izay mandeha ao ianao. Raha tianao ny hanovaova ny fandehan’ny video iray (izany hoe mamerina mijery hatramin’ny voalohany na mampiato, mampihemotra na mampandroso haingana), dia midira ao amin’ilay hoe Video Rehetra.

Araho ireto toromarika ireto rehefa hijery video ao amin’ilay hoe Mivantana ianao:

 Mijery fandaharana mivantana amin’ny alalan’ny ordinatera

Tsindrio ilay hoe Mivantana. Raha mbola tsy nanova ny firafitra ianao, dia izay tele halefany eo no handeha voalohany ary izay video ao no handeha.

  • Ataovy mankeo amin’ilay video ny totozy, ary tsindrio ilay sary kely mampiseho hoe Hameno Efijery raha tianao hameno ny efijery ilay video.

  • Tsindrio ny Escape na Echap raha tsy tianao hameno ny efijery ilay video na ataovy mankeo amin’ilay video ny totozy, ary tsindrio ilay sary kely mampiseho hoe Antonony.

  • Raha te hanova ny hatsaran’ny video ianao, dia ataovy mankeo amin’ilay video ny totozy, ary tsindrio ilay sary kely mampiseho ny Firafitry ny Video. Fidio eo izay tianao. (Fanamarihana: Misy programa fijerena tranonkala tsy mety hanaovana an’izany.)

    Fanamarihana: Arakaraka ny maha ambony an’ilay tarehimarika no maha tsara ny sary mivoaka, nefa koa ilana Internet haingam-pandeha kokoa. Fidio izay mety amin’ny Internet sy ny efijery ampiasainao. (Jereo ilay hoe Hanova ny Firafitra ao Amin’ny Ordinatera na Tablette na Smartphone Ampiasainao raha mila fanazavana fanampiny.)

  • Raha te hanova ny hamafin’ny feo ianao, dia ataovy mankeo amin’ilay video ny totozy, ary tsindrio ilay sary kely mampiseho ny Hamafin’ny Feo. Ampiakaro na ampidino ilay izy arakaraka izay itiavanao ny hamafiny.

Rehefa tsindriana ilay hoe Alefa Hatramin’ny Voalohany, dia miala ao amin’ilay tele mandeha mivantana ianao fa lasa any amin’ny Video Rehetra, ary afaka mandefa an’ilay video nandeha teo sy mijery azy hatramin’ny voalohany.

Soso-kevitra: Midira ao amin’ny Firafitra raha tianao hofidina ao amin’ny ordinateranao hoe tele inona no handeha voalohany isaky ny manindry an’ilay hoe Mivantana ianao.

Raha mijery tele iray elaela ianao sady tsy manova an’ilay izy mihitsy, dia hisy fanontaniana hipoitra tampoka hanontany anao raha mbola mijery ianao. Mandany vola mantsy ny mampita video amin’ny alalan’ny Internet, ka tsy te hanohy handefa an’ilay izy izahay raha toa ka tsy misy mijery. Raha mbola mijery ianao dia tsindrio ny OK ary hitohy ilay fandaharana jerenao.

 Mijery fandaharana mivantana amin’ny alalan’ny fitaovana entin-tanana

Fanamarihana: Tsy mitovy daholo ny fomba fampiasana fitaovana entin-tanana, arakaraka ny haben’ny efijery sy ny programa mampandeha azy (OS). Ho hitanao avy amin’ireto toromarika ireto ny sasany amin’izany:

Tsindrio ilay hoe Mivantana raha fitaovana entin-tanana lehibe, toy ny tablette, no ampiasainao, ary hisy tele handeha avy hatrany.

Tsindrio ny Menu raha fitaovana entin-tanana kely kokoa, toy ny smartphone, no ampiasainao. Tsindrio avy eo ny Mivantana raha te hijery an’izay tele mandeha ianao, na tsindrio ny Filesy Manondro Ambany eo ankavanan’ilay hoe Mivantana ary mifidiana tele iray.

Tsindrio ilay sary kely mampiseho hoe Handefa mba hampandeha ny video.

  • Tsindrio indroa ilay video raha tianao hameno ny efijery, na tsindrio ilay video dia avy eo tsindrio ilay sary kely mampiseho hoe Mameno Efijery.

    Fanamarihana: Tsy afaka mampiato, mandefa, mampandroso haingana, na mamerina ny famakiana video ianao rehefa mameno ny efijery ilay izy na dia miseho aza ireo.

  • iOS: Raha tsy tianao hameno efijery intsony ny sary, dia tsindrio ilay video, ary tsindrio ilay sary kely mampiseho ny Efijery Antonony na tsindrio ilay hoe Done na Terminé.

    Android: Raha tsy tianao hameno efijery intsony ny sary, dia tsindrio ilay video, ary tsindrio ilay hoe Back na Retour eo amin’ilay fitaovana.

    Windows Mobile: Raha tsy tianao hameno efijery intsony ny sary, dia tsindrio ilay hoe Back na Retour eo amin’ilay fitaovana.

  • Tsindrio ilay sary kely mampiseho ny Firafitry ny Video raha te hanova ny hatsaran’ny sary ianao. Fidio izay mety aminao. (Fanamarihana: Misy fitaovana entin-tanana tsy mety hanaovana an’izany.)

    Fanamarihana: Arakaraka ny maha ambony an’ilay tarehimarika no maha tsara ny sary mivoaka, nefa koa ilana Internet haingam-pandeha kokoa. Fidio izay mety amin’ny Internet sy ny efijery ampiasainao. (Jereo ilay hoe Hanova ny Firafitra ao Amin’ny Ordinatera na Tablette na Smartphone Ampiasainao raha mila fanazavana fanampiny.)

Raha tianao ho fantatra izay handeha manaraka, dia tsindrio ilay hoe Programa, na raha fitaovana entin-tanana kely kokoa no ampiasainao, dia midìna eo ambany.

Rehefa tsindrianao ilay hoe Alefa Hatramin’ny Voalohany, dia miala ao amin’ilay tele mandeha mivantana ianao fa lasa any amin’ny Video Rehetra, ary afaka mandefa an’ilay video nandeha teo sy mijery azy hatramin’ny voalohany.

Soso-kevitra: Midira ao amin’ny Firafitra raha tianao hofidina ao amin’ny fitaovana ampiasainao hoe tele inona no handeha voalohany isaky ny manindry an’ilay hoe Mivantana ianao.

 Misafidy tele rehefa mampiasa ordinatera na tablette

Rehefa antonony ny haben’ny video mandeha (tsy mameno efijery), dia hita eo ambany ny anaran’ireo tele misy. Tsindrio eo amin’ny tele iray raha te hijery an’iny ianao.

Miseho eo ambany amin’ny efijery ny anaran’ireo tele raha ordinatera na tablette no ampiasainao. Misy tsipika manga eo ambonin’ny anaran’izay tele mandeha.

Tsindrio ny Filesy Manondro Havanana na Havia raha te hijery ny anaran’ny tele hafa ianao. Tsindrio eo amin’ny tele iray raha te hijery an’iny ianao.

Tonga dia mandeha ny video ao amin’ny tele nofidinao raha ordinatera no ampiasainao. Mila manindry an’ilay sary kely mampiseho hoe Handefa kosa ianao raha mampiasa fitaovana iOS na Android.

 Misafidy tele rehefa mampiasa smartphone

Rehefa antonony ny haben’ny video mandeha (tsy mameno efijery), dia hita eo ambany ny anaran’ireo tele misy. Tsindrio eo amin’ny tele iray raha te hijery an’iny ianao.

Milahatra eo ambanin’ilay video ny lisitry ny tele ho an’ireo fitaovana entin-tanana kely kokoa toy ny smartphone, raha atsangana ilay izy. Misy tsipika manga eo ambonin’ny anaran’izay tele mandeha. Tsindrio ny Filesy Manondro Ambany eo ankavanan’ny anaran’ireo tele mba hahitana hoe inona no mandeha ao izao. Midìna eo ambany raha tianao ho fantatra ny video manaraka sy ny faharetany ary ny fotoana anombohany.

Tsindrio ny Filesy Manondro Ambony rehefa hanidy ny fandaharana amin’ny tele iray.

Tsindrio eo amin’ny anaran’izay tele tianao hojerena, ary tsindrio ilay sary kely mampiseho hoe Handefa.

 Mijery programa

Miseho ny programa raha antonony ny haben’ny efijery hamakiana video (tsy mameno ny efijery), raha mampiasa ordinatera na tablette ianao. Jereo ilay hoe “Misafidy tele rehefa mampiasa smartphone”, raha mampiasa fitaovana entin-tanana kely kokoa, toy ny smartphone, ianao.

Tsindrio ilay hoe Programa raha te hijery ny tohin’ny programa ao amin’ny tele tsirairay ianao.

Ny fandaharana ao amin’ny tele iray no hitanao ao amin’ny tsanganana tsirairay. Miseho eo amin’ny farany ambony amin’ilay tsanganana izay video mandeha. Milahatra manaraka azy ny video handeha aoriany miaraka amin’ny faharetan’izy ireo sy ny fotoana anombohany.

Tsindrio ny Filesy Manondro Havanana na Havia mba hahitana ny lisitry ny tele. Sokafy ny tele iray raha te hijery azy sy hanidy an’ilay programa ianao.

Fanamarihana: Natao arakaraka ny ora any aminareo (ora sy toerana ao amin’ilay ordinatera na ilay fitaovana ijerenao tele) ny fotoana anombohan’ireo video, izay aseho ao amin’ny programa. Raha mijery tele iray ao anatin’ny fotoana iray àry ny mpijery any amin’ny toerana samihafa, dia tsy voatery hitovy ny video hitany. Raha mijery video iray, ohatra, ianao amin’ny 7 ora hariva, dia video efa nandeha tany amin’ny faritra atsinanan’ny misy anao no jerenao, tamin’ny 7 ora tany amin’io tany io. Afaka adiny iray, na mahery, kosa vao hahita an’iny video iny ny olona any andrefan’ny misy anao, amin’ny 7 ora any amin’izy ireo.

Avereno tsindriana ilay hoe Programa raha te hanidy an’ilay programa sy hiverina any amin’ilay video ianao.